Mialohan'ny nananganan'i Jesoa ho velona an'i Lazara dia nitodika tany amin'Andriamanitra Ray Izy nisaotra noho ny Ray nihaino Azy zanaka ; araka izay voasoratra hoe : dia noesorina ny vato, ka niandrandra Jesoa sy nanao hoe "misaotra Anao Aho, Raiko, satria nihaino Ahy Ianao". Rehefa manatona an'Andriamanitra amin'ny alalan'ny vavaka isika dia mazava ny zava-drehetra ary misinda ny ahiahy... Katesizy momba ny vavaka fisaorana, iarahana amin'i P. Eric Franck Randriamiandrinirinarivo.
Mpiara-miasa Ramatoakely Sanda sy i Rajo, ary nanolotra hevitra an'ity farany mba hitady trano akaiky ny toeram-piasana satria alavitra loatra ny dia maraina sy hariva, tranon'ny anadahin'i Ramatoakely Sanda no trano lasa fonenan'i Rajo. Ramatoakely Sanda dia tompon'andraikitra ao amin'ny orinasa fiasan'izy ireo, ary Rajo koa dia mpiasa tsotra. Toerana manana mistery anefa ilay misy ny trano nofain'i Rajo...
♦ Ankalazain'ny Eglizy maneran-tany amin'ity andro ity ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Rôzery. Misy ny fandaharam-potoana anentanan'ireo avy ao amin'ny Fraternité Laïque Dominicaine, eto Antananarivo, amin'ny alalan'ny Facebook, andraisantsika anjara iombonana amin'ny maneran-tany... ♦ Zanaky ny Fiangonana, miisa 50 no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana tao amin'ny Distrikan'Ambodibonara, Arsidiôsezin'i Toamasina...
Isan'ny hanehoana ny fitiavan-tanindrazana dia porofo ny maha Kristiana marina satria mikatsaka ny fiombonana tanteraka, toy ny fiaraha-monin'ny Trinite Masina. Na inona na inona no asanao dia mifototra amin'ny fitiavan-tanindrazana izany, eo koa ny fanekena fanendrena, fahaizana mampitohy amin'ny taranaka ny lova tsara sy mendrika. Mbola maro ireo fahalovana misy eto Madagasikara koa ireo mpilatsaka hofidiana sy ny mpifidy dia samy tompon'andraikitra... Fandaharana "hono hoy aho mopera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Notendren’ny Papa François ho Evekan’ny Diosezin’i Farafangana, androany 31 oktobra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan’i Fenoarivo-Atsinanana. Izy izany no handimby an’i Mgr Gaetano Di Piero, izay nitondra ny Diosezin’i Farafangana nanomboka ny 3 marsa 2018 ka hatramin’izao. Teraka ny 12 aprily 1963 tao Sandrandahy, Diosezin’Ambositra, i Mgr Marcellin, ary tao ihany izy no nanomboka ny fanabeazana fototra.
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco