♦ Efa ôfisialy fa ny 11 desambra 2024 no daty hanatanterahana ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina eto amintsika. Nankatoavina ny didim-panjakana fiantsoana ny mpifidy amin'izany fifidianana izany... ♦ Hiaka-dapa eny Tsimbazaa rahampitso ny Praiminisitra, hanolotra ny fandaharan'asany ho fampandrosoana ny firenena... ♦ Mbola mitohy ny fitokonana faobe ataon'ireo mpiasan'ny FOFIFA manerana ny nosy, hitakiana ny fialan'ny Tale Jeneraly. Tsy manao afa-tsy fiandrasan-draharaha izy ireo hatramin'ny androany...
7 aogositra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahavalo ambin'ny folo Mandavantoana — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 15, 21-28)
Ny mpanoratra ny Salamo dia mametraka mazava tsara mihitsy fa ny fahafatesana no fahavalo faratampn'ny olombelona. Sazy mafy indrindra ary mampihorohoro sy mampatahotra ny olona indrindra. Ny vavaka dia ahatsapana fa voafetra ny olombelona ; io fetra io no manampy antsika tsy hanao tsinontsinona ny hafa satria isika natao hiaina ao antin'ny fiaraha-monina ; ny maha-izy antsika dia ny hafa... Katesizy momba ny vavaka miaraka amin'ny Salamo, iarahana amin'i P. Flavien Andriamirijanirina.
Mpitondra Taxi i Navalona ary nifanena tamin'i ramatoa hafahafa, izy indray andro ; gaga ny mpamily sy ny pôlisy fa vola malagasy efa tonta efa tamin'ny taona 1883, ny nomen'ilay olona noentin'ilay mpamily, teny amin'ny Rova. Fofona mahery sy zavatra hafahafa toy ny "vovoka mainty" no hita tao anatin'ilay fiara Taxi. Nontanan'ny pôlisy ilay mpamily ary nanaovana famontorana, tsy nino izay nolazainy anefa ireo mpitandro filaminana...
Notendren’ny Papa François ho Evekan’ny Diosezin’i Farafangana, androany 31 oktobra 2024, i Mgr Marcellin Randriamamonjy, Evekan’i Fenoarivo-Atsinanana. Izy izany no handimby an’i Mgr Gaetano Di Piero, izay nitondra ny Diosezin’i Farafangana nanomboka ny 3 marsa 2018 ka hatramin’izao. Teraka ny 12 aprily 1963 tao Sandrandahy, Diosezin’Ambositra, i Mgr Marcellin, ary tao ihany izy no nanomboka ny fanabeazana fototra.
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco