♦ Tapitra androany ny fe-potoana nahafahana nametraka fitoriana teny amin'ny HCC. Miantso ireo mpitsara tsy hampiady ny Malagasy, fa hijery ny tombontsoam-pirenena, ny antoko Vonona Hijoro ho an'i Madagasikara... ♦ Tokony hofoanan'ny HCC ny voka-pifidianana Solombavam-bahoka teo, hoy ny RMDM androany. Nambaran'ny Rodoben'ny mpanohitra fa tsy fifidianana no natao fa fangalaram-bato, ka tsy nahomby ny CENI tamin'ny fikarakarana... ♦ Niharan-doza tany Miarinarivo androany ny Tarika Sahondrafinina Zanany. Mpitendry lokanga iray ao amin'ny tarika no maty noho ny ratra nahazo azy...
Ankatoky ny fetin'ny ray isika ; firariantsoa no atao ho azy ireny, mba ho toy ny hazo hamoa voatsara hitondra fiainana. Hirariana ho toy izany ny lehilahy rehetra, raim-pianakaviana. Adidy lehibe no iandraiketan'ny raim-pianakaviana ka mila fankaherezana sy fitiavana izy ireny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo dia aretina hita eo amin'ny taovam-pananahana, na lahy na vavy, mety ho fivontosana na tsiranoka misy fofona na tsy madio. Mila fiomanana ny fanaovana firaisana ara-nofo ary tokony olona fantatra indrindra ny fahasalamany no iarahana. Ny tsingerin'ny fandimbolana dia misy mba hitondran'ny vehivavy vohoka. Ny tsingerina dia miatomboka amin'ny fisian'ny ra mivoaka amin'ny fivaviana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
12 jona 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)
• Manatanteraka fitsidihana any amin'ny Diosezin'i Mananjary ankehitriny, ny Nonce Apostolique an'i Madagasikara. Ao anatin'izany no hankalazana ny faha-150 taonan'ny Fikambanana Société du Verbe Divin... • Mpivahiny masina miisa 4.500 no niatrika ny JMJ tao amin'ny Diosezin'i Fianarantsoa, izay nifarana ny alahady lasa teo... • Tsy ny manome ihany, fa ny fianarana mangataka ihany koa ny fitiavana, hoy ny Papa Léon IXV tamin'ny fampianarany ny alarobia 3 septambra 2025, tao anatin'ny Audience générale...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco