Ny fanadinana dia sedra ara- "psychopédagogique" ho an'ny mpianatra. Ny voambolana " Psychopédagogie" dia fitambaran'ny teny roa : Psychologie + pédagogie ; izany hoe fampianarana mifototra amin'ny toetra sy ny fomba fampitana fahalalana amin'ny olona iray. Ny fanadinana dia sedra ahafahan'ny mpianatra manomana ny sainy hiatrehany ny fiainany ho avy. Ny fanadinana dia fanabeazana ny mpianatra hahay hifehy fotoana sy hifehy tena... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
19 jona 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharaika ambin'ny folo Mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 6, 1-6. 16-18)
♦ Hafainganina ny famoahana ny valim-panadinana CEPE. Hanomboka rahampitso ny fitsarana ireo taratsim-panadinana... ♦ Nisokatra androany teny amin'ny kianjan'i Betongolo ilay hetsika Kermesin'ny Fiarovana sy ny Filaminana. Hetsika tafiditra amin'ny fankalazana ny tsingerin-taona faha-64 niveranan'ny fahaleovanten'i Madagasikara sy ny tsingerin-taona niorenan'ny Foloalindahy Malagasy... ♦ Mikasa hanao hetsika manodidina ny kianjan'ny Barea Mahamasina ny Antenimieran'ny Ray aman-dreny Foko Malagasy na ARFM, amin'ny 26 jona 2024...
Ny Riba dia fitambaran'ny fomba amam-panao. Fomba dia azo rasaina hoe : F - omba, ka ny "omba" dia toetra sy endrikà na fihetsika. Ny fanaovana "hasovan-jaza" dia misy ireo mijery andro anefa misy ihany koa ireo tsy manao izany fa rehefa anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina dia ataony. Ny tadim-poitra dia homena ny omby ho an'ny fomba sasany, mba tsy ho very sy hody amin'ny hasiny iny loharanon'ny aina iny, izay nifandraisan'ilay zaza tamin'ny reniny. Ny fanalana satroka rehefa manoloana olona na amin'ny toe-javatra iray dia midika fanajàna...
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco