♦ Nikasa ny hitsoaka ny toerana itazomana azy ao amin'ny Cité Canada Toamasina omaly, ireo olona ahiana ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus any an-toerana... ♦ Mitaky ny hanafoanana ireo faktiora maromaro anatin'ny iray volana, ny mpiaro ny zon'ny mpanjifa RNDC, izay mpikambana ao anatin'ny Filankevi-pitantanan'ny Jirama... ♦ Mangataka ny hamoahana ny daty hanatanterahana ireo fanadinam-panjakana ny fikambanan'ireo Talen-tsekoly tsy miankina eto Madagasikara...
Mila manontany tena ny olom-pirenena tsirairay eo anatrehan'ny tontolo manodidina azy. Mila mikaroka ny saina. Inona no tokony atao mba tsy hanimbana ny olona eo akaiky ? Mila migaga ny fahatsaran'ny zava-boahary ; satria mitarika ny saina hanao zavatra tsara izany.
Alahady 14 jona 2020 — Vatana aman-dRan'i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 51-58 — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo ; izay mihinana amin'ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay.
Nantsoin’ny Ray hiala sasatra ao aminy ny zoma 12 jona 2020 tamin’ny mitataovovonana i F. Abbio Elio, sdb, rehefa nahavita ny iraka nankininy taminy, nandritra ny 65 taona naha-relijiozy azy tao amin’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco.
Hafatra avy amin'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana eto Madagasikara, ao anatin'izao volana natokana ivavahana sy handraisana an-tanana ny tontolo iainana izao... Manentana ny olon-dehibe rehetra hikajy ny tontolo iainana, hahay hifandray amin'ny hafa ary hitondra tsirim-panantenana ho an'ny rehetra, ny Hafatra avy amin'ny JNA andiany faharoa, notanterahana tany amin'ny Diosezin'i Morondava... Niantso ny rehetra hanana fanetren-tena ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco