Alahady 14 jona 2020 — Vatana aman-dRan'i Kristy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 51-58 — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo ; izay mihinana amin'ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay.

0 : 00

Mankalaza manetrikatrika ny Sakramenta Masina ny Eglizy amin’ity alahady ity. Efa hatramin’ny taonjato faha-13 no nisy izany fetin’ny Sakramenta Masina izany. Tamin’izany mantsy, tsy toy ny amin’izao androntsika izao ny fanaovana Kômonio, fa tena mahalana mihitsy. Misy nihevitra tamin’izany aza fa mijanona amin’ny faran’ny lamesa ny maha eo an’i Kristy. Nanohitra kosa izany fomba fisainana mivaona izany ny Eglizy ka namorona ny diabe mivavaka (procession) ho enti-manaja ny Sakramenta Masina sy fotoana hanaovana ny fitsaohana Azy ao amin’ny Eglizy, ivelan’ny Fankalazana ny Eokaristia.

Finoantsika i Kristy ao amin’ny Eokaristia ka fanehoam-pinoana ny fanaovana ny diabe mivavaka entina hanajana ny Sakramenta Masina satria miara-dalana amintsika mandrakariva i Jesoa, araka ny teniny hoe : "Indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao" (Mt 28, 20). Miova ho tenan’i Jesoa Kristy manontolo ny mofo sy ny divay aorian’ny teny fankamasinana ka tsy hiverina ho mofo sy divay tsotra intsony mihitsy fa mijanona ho Kristy hatrany. Izany no itehirizana ny ambiny ao aorian’ny fanaovana ny Kômonio : natao ho an’ireo marary sy fitsaohana masina, ka isian’ny jiro mirehitra mandrakariva eo akaikin’ny tabrnakla, trano fitehirizana Azy. Ny Evanjely naroson’ny Eglizy tamintsika teo manambara izany : foin’i Jesoa ho antsika, hijanona eo anivontsika mandrakariva amin’ny alalan’ny Mofo Izy, ho sakafo, ka mitaona antsika hazoto handray Azy, satria antoky ny fiainana mandrakizay izany.

Fa mofo ahoana tokoa moa Izy e ?

Ny tenany no nanambara izany ampahibemaso, raha nampianatra tao amin’ny sinagoga tao Kafarnaoma Izy. Fa isika tokoa mantsy raha manolotra fanomezana dia zavatra no atolotra, fa ny Azy Jesoa Andriamanitra dia tsy nitady zavatra hafa Izy fa ny tenany mihitsy no natolony ho antsika ; tsy hoe fanomezana ho tehirizina fotsiny fa atao sakafo mamelona ny fanahintsika, sady antoka no vatsy ho amin’ny mandrakizay. Izay tiana no omena, ary fanomezana sarobidy no atolotra azy ; ka tiany isika matoa nomeny ny Tenany. Ary fanomezan’Andriamanitra izany fa tsy an’olombelona fotsiny, koa asakasak’izay tsy te handray izany ! Mazava ny teniny hoe : “Lazaiko marina dia marina aminareo, fa raha tsy mihinana ny Nofon’ny Zanak’olona ianareo sy tsy misotro ny Rany, dia tsy manana ny fiainana ao aminareo. Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako no manana ny fiainana mandrakizay ; ary Izaho hanangana azy amin’ny farandro. Fa tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako.”

Sarotra ho an’ny Jody, nifanerasera taminy ny nandray izany. Namorona ny Eokaristia anefa Izy ny Alakamisy masina talohan’ny nahafatesany. Fa isika kosa, amin’ny Eokaristia no andraisantsika Azy. Finoantsika izany, tsy azo hozongozonina. Aina ny sakafo mamelona antsika ka naroson’Izy Ray ho antsika amin’izany ny Zanany. Sakafo tsy manavaka fa mampiombona, iray ihany, nefa mahenika ny rehetra. Meteza, mazotoa mandray Azy sy hitondra Azy eo amin’ny fiainana mba hampamokatra fitiavana sy hanasoa ny hafa. Miombon’aina Aminy mandrakariva izay mazoto mandray Azy satria velona ao aminy, mahazo hery hanohitra sy hiady amin’ny ratsy.

Indrisy anefa amin’izao fihibohana izao tsy afaka manao Kômonio ny ankamaroany amintsika fa afaka miombona kosa amin’ireo izay afaka manao izany, noho ny faniriana amin’ny Komonio am-panahy ka tsy sanatria ho very anjara. Fa mivavaha mafy, irio fatratra mba ho afaka handray mivantana Azy tsy ho ela isika rehetra, ho afaka amin’izao fitsapana mafy amin’ny finoantsika sy ny fiainantsika izao. I Kristy Mofo velona ankalazaintsika izao anie haha to izany faniriantsika izany. Amen.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...