• Mila mpitondra hafatra ho an'ny fanantenana izao tontolo izao, hoy ny Ray masina, tamin'ny fanokafana ny Jobilin'ny Tanora ny 29 jolay 2025... • Nosokafana androany maraina, tao amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny Jobilin'ny Tanora sy Andron'ny Tanora eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Nankalaza ny Taon-jobily ihany koa ny tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé, ny Tanora tao amin'ny Faritra Androna...
Mamaha olana an’ireo tantsaha mpikambana an’arivony ao aminy ny fijoroan’ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny taona maro nijoroany. Fikambanana saro-piaro ary mampihatra ny famokarana ara-biolojia tsy mampiasa taharo simika amin’ny fambolena sy ny fiompiana ilofosan’izy ireo...
Misongadina ny anjara toeran'i Masina Maria sy ny fiaraha-miaina tamin'ilay teny tonga nofo, tonga ho olombelona. Neken'ny Papa François ny fankalazana isaky ny alatsinainin'ny pentekôty an'i Masina Maria renin'ny Eglizy. I Masina Maria sy ny fanantenana no tena foto-dresaka amin'izao taonjôbily izao. Nifidy hampandray anjara antsika olombelona amin'ny asa-pamonjena Andriamanitra ary isan'izany i Masina Maria... Katesizy momba an'i Masina Maria Virijiny, Renin'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Hervé Solofoarimanana.
• Tapitra androany ny fe-potoana nampiatoan'i Etazonia ny fampiakarana ho 47 % ny haban-tseranan'ireo vokatra miditra any aminy, ka anisan'ny mahakasika an'i Madagasikara. Andrasana na hihatra amintsika io fepetra io na tsia... • Tsy mitombina ny fanambaran'ny Praiministra fa tsy mahafantatra ny fanomezana laharam-pamantarana malagasy ireo fiaramanidina tafiditra any Iran izy sy ny Filoha, hoy ny Profesora Ralison Roger... • Voaporofo fa nisy kolikoly sy fanaparam-pahefana ilay raharaha fitsaram-bahoaka tany Vohibato tamin'ny taona 2023. Natsikafon'ny mpanao gazety “Malina”, ny tao ambadik'iny raharaha iny, tamin'ny horonan-tsary fanadihadiana navoaka androany...
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco