♦ Tontosa ny sabotsy teo ny tantara an-tsehatra nolalaovin'ny mpilalao tantara eto amin'ny Radio Don Bosco. Tratra ny tanjona ho an'ny mpilalao sy ny mpikarakra ; naneho ny hafaliany ny mpijery... ♦ Nihaona tamin'ireo tompon'andraikitry ny fampianarana tsy miankina ny minisitra telo tonta misahana ny fampianarana. Afaka manohy ny fandaharam-pianarana hatramin'izay ny sekoly tsy miankina. Mitohy hatrany anefa ny dinika... ♦ Traktera miisa 28 miaraka amin'ny kojakoja fampiasa aminy no natolotry ny Fanjakàna tamin'ny alalan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika tao Antsirabe ny sabotsy teo...