♦ Misy ireo sendika sy antoko pôlitika mametraka ahiahy amin'ny praiministra vaovao nandray ny fahefany omaly. Tsy mifanaraka amin'ny notakiana nandritra ny tolona ny fanendrena azy hoy ny randrana sendikaly. Mivoana amin'ny fanovana nodradradradraina teny an-kianja ihany koa ny fanendrena azy hoy ny antoko Otrik'afo sy ny vondron-kery Manova Ifotony... ♦ Nanambara ny tsy maha-mpanohitra azy intsony ny vovonana pôlitika RMDM. Manara-maso ny fomba fiasan'ny mpitondra nefa izy ireo... ♦ Nihena ny herin'ilay rivo-doza Chenge mananontanona ny faritra avaratry ny nosy, hanohy ny diany hiankandrefana hatrany izy anatin'ny 4 andro...
♦ Maro ireo olona mpisandoka ny asan'ny mpahay momba ny kaonty sy ny ara-bola na ny EXPERT COMPTABLE et FINANCIER, izay manao fanambarana sy fampahafantarana amin'ny alalan'ny tambazotra serasera sy tranokala samihafa... ♦ Hampodiana eto Madagasikara farafahatarany ny faran'ny volana jolay 2024, ho avy izao ireo sokatra sy gidro nisy nanondrana an-tsokosoko tany Thaïlande... ♦ Misy fitanilàna ny fampiharana ny lalàna eto Madagasikara hoy ny solombavambahoaka voafidy teny amin'ny boriborin-tany fahadimy Antananarivo Renivohitra Fetra Razafitsimialona... ♦ Nanentana ny fianakaviana iraisam-pirenena i Papa François, mba hanao izao hoafany amin'ny fitondrana fanampiana any Gaza...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco