Nifamotoana tao amin’ny katedralin’i Masindahy Jozefa any ABOU DHABI, tamin’ny alarobia teo, ny ankohonampiainana katôlika any amin’io firenena io.

Fihaonana nanamarihan’izy ireo ny tsingerintaona voalohany namangian’i Papa François an’ity firenena arabo ity. Nisy ny fiaraha-miombom-bavaka sy ny Sorona Masina notarihan’i Monseigneur Paul HINDER, vikera apostolikan’i Arabie atsimo. Maro tamin’ireo vahoaka nanatrika ny Lamesa notarihan’i Papa François, tamin’ny taon-dasa, no nanatrika sy nandray anjara tamin’io fanamarihana tsingerintaona tamin’ny alarobia io. Niarahan’ny rehetra niredona nandritra izany avokoa ireo hira rehetra natao tamin’io 5 febroary 2019 niarahana tamin’i Papa François io. Notsiahivin’i Monseigneur Paul HINDER tamin’izany ny fampianaran’i Papa momba ny hasambarana izay drafi-piainana ho an’ny kristianina.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...