Mitondra ny anjara birikiny ho fanampiana an'i Chine amin'ny fiatrehana ny valanaretina entin'ny Coronavirus ny eo anivon'ny Fiketrahana Masina.

Nandefa tampim-bava miisa 700.000 any Chine ny ao Vatican ho fandraisany anjara amin'ny ady atao amin'ny fihanaky ny tsimokaretina. Nalefa mivantana any amin'ny faritanin'i Hubei misy an'i Wuhan izay toerana voalaza ho niandohan'ity valanaretina entin'ny coronavirus ity sy any Zhejiang ary Fujian ireo tampim-bava ireo. Nilaza ny talen'ny famoaham-baovao eo anivon'ny Fiketrahana Masina, Matteo Bruni, fa tsy mbola misy atahorana amin'ny mety hahatongavan'io valanaretina io any Vatican ankehitriny. Efa tafakatra 427 moa ny isan'ireo namoy ny ainy vokatry ny coronavirus, tato anatin'ny iray volana mahery niandohan'ny aretina ka any Chine avokoa ny 425 amin'ireo. Tompo-marika tamin'ny fandefasana ireo tampim-bava marobe ireo ny Kardinaly Konrad Krajewski (aumônier du pape) sy ny farmasian'i Vatican ary ny "Centre missionnaire de l'Eglise chinoise" any Italie.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...