Higadona tsy ho ela ny vaninandro lehibe hanamarika ny tantaran’ny Fikambanan’ny masera Zanakavavin’i Masina Maria vonjin’ny kristianina (FMA). Fotoan-dehibe handinihina ny lasa sy handraisana hainga vao izao fankalazana ny tsingerin-taona faha-150 niorenan’ny fikambanana amin’ny 2022 izao (05 aogositra 1872-05 aogositra 2022).

Taona telo no hiarahanay miaina ny fahasoavana sy ny fihavaozana:

  • 2019, manomana ny fivoriam-be maneran-tany (CG) faha-XXIV izahay;
  • 2020, mankalaza ny taon-jobily
  • 2021, miaina izany any amin’ny ankohonam-piainana

Manasa anay haka ainga vao io CG amin’ny 2020 io, eo am-piainana ilay lohahevitra naroson’ny Fikambanana hoe : “ ankohonam-piainana mampita aina eo anivon’izao vanim-potoana izao”, “Ataovy izay holazainy aminareo”

Ambiance d'écoute et de partage

Efa nodinihina tao amin’ny fivoriam-be-paritra faha-IV (CP), ny 29 aogositra ka hatramin’ny 01 septambra 2019 tao Ivato.Masera miisa 26 sy laika 14 no nanao ny “andram-piainana tao Cana”, nandritra io efatra andro io: niaina izany tao anatin’ny vavaka, ny fandalinana, ny fifampihainoana, ny fifampizarana, ny fanamarinana ary ny fikarohana ny lalana vaovao.

Ny mpandray anjara rehetra dia maniry ny hikatsaka ny lalana tsara ho an’ny faritra misy anay, sy ny fiaraha-miasa ary ny iraka, indrindra fa ny fiaraha mizotra amin’ny tanora ho amin’ny fahamasinana. Misaotra an’Andriamanitra izay mampiombona anay izahay, sy nanampy anay nandritra io fihaonana io. Mbola tsy mitsahatra ny midera Azy izahay noho ny soa sesehena nomeny ny faritra tamin’ny alalan’i Masina Maria mpanompovaviny.

Afaka niaina indray sy nandalina ny fanasana tao Kanà izahay: “Tsy manan-divay izy ireo”, hoy i Maria tamin’i Jesoa: mitalaho amin’ny zanany ho antsika i Maria; mahalala ny filantsika i Maria, ary liana amin’ny andavanandrom-piainantsika. Irintsika tsy ho banga amin’ny fiainantsika ilay divay tsara tao Kanà. Eo mandrakariva ny Tompo hanampy anay amin’ny alalan’ny vavaky ny Reniny. “Ataovy izay rehetra holazainy aminareo”, atefany aminay indray izany teny izany, izahay rehetra izay samy mpanompo. Manentana anay izy mba handray ny andraikitra andavananadro amin-kafaliana.

Mikatsaka lalam-baovao

Nankahery anay hiroso lalina kokoa i P ; Charles Armand Randimbisoa, Lehiben’ny Fikambanana sdb tamin’ny Eokaristia masina fanoakafana ny CP, naniry izy ny hoe : “ Raha samy manana rano ianareo rehetra, miaraka amin’ny fanampian’i Maria, ny Fanahy masina no hanova izany ho divay, divay vaovao izay ho entinareo ho an’ny olon-drehetra, indrindra ny tanora faraidiny izay miandry ny fisehoan’ny fitiavan’Andriamanitra avy aminareo”.

Mankasitraka ireo mpandray anjara rehetra, indrindra an’i Sr Bernadette Chongo Cola, Lehiben’ny Fikambananan’ny masera FMA eto amin’ny faritra “Maria loharanon’ny aina”, tamin’ny fanentanana nandritra ny fihaonana (CP) sy ny teny fankaherezana mamy nataony ho an’ny hoavin’ny faritra. Mankasitra indrindra ny ankohonam-panabeazana tao Ivato tamin’ny fandraisana sy ny fikarakarana, misaotra ireo olona rehetra nandray anjara tamin’ny fanatontosana iny fivoriana iny. Maria renintsika anie hanampy antsika hihaino izay lazain’i Jesoa, mba hanova ny ranon’ny andavanandrom-piainantsika ho divay ho fahombiazana vaovao amin’ny asa pastoraly sy iraka ataontsika.

Mirary soa ny rehetra amin’ny asa pastoraly atao amin’ity taona ity !

Biraon’ny Fifandraisan’ny mpiara-belona !

Nandika tamin’ny fiteny malagasy : Ratovoarivelo Ndrasantsoa Marie Frédeline

[Miara-dàlana] Zoma 14 febroary 2025

• Niompana tamin'ny fanabeazana sy ny fanandratana Olomasina ny votoatin'ny fihaonan'ny Birao maharitry ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tamin'ny iraka natony tany amin'ny Fiketrahana Masina... • Ao anatin'ny fahalemena no tokony handinihana ilay hery mahagaga nananan'i Jesoa Kristy, hoy ny Ray masina tamin'ny fampianarany, nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo... • Hankalazaina ao Roma ny 15 hatramin'ny 18 febroary 2025 ny Jobilin'ny mpanakanto, izay mitondra ny lohahevitra hoe: “Mamelona fanantenana ny zava-kanto”...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...