Zary lasa fomba fanao ao amin’ny Oratorio nanomboka ny taona 2010 ny afon-dasy.

Fomba amam-panao avy amin'ny firenen-kafa nentin'i Mompera Baingio Luigi Maresu na i mompera Gigi ho fanombohana ny taona k any 01 Janoary no natanterahana izany. Hita fa nety tamin'ireo tanora sy mpino kristianina ny fanaovana izany hetsika izany.

Andro maneran-tany ho an'ny fandriam-pahalemana sy fiadanana ny 01 Janoary, koa zava-dehibe ny famakiana ny hafatry ny Papa amin'io andro io ho entina misantatra ny taona vaovao. Ny lohahevitry ny hafatry ny Papa François tamin'ity taona 2020 ity dia nifantoka tamin’ny hoe: ny "Fiadanana, lalan'ny fanantenana : Fifampiresahana, fampihavanana ary fiovana ekolojika".

Nisy fizarana dimy ny hafatry ny Ray Masina tamin’ity taom-baovao 2020 ity. Ny voalohany, dia ny "Fiadanana sy ny lalana tokony aleha manoloana ireo sakana sy fitsapana"; ny faharoa, "Fiadanana amin'ny fomba fihainoana mifototra amin'ny fahatsiarovana, firaisan-kina sy firalahiana"; ny fahatelo, "Fiadanana, lalan'ny fampihavanana amin'ny fifandraisan’ny mpirahalahy"; ny fahefatra, "Fiadanana, lalana mankany amin'ny fanovana ekolojika"; ary ny farany dia "Fahazoana izay antenaintsika". Narahana horonan-tsary avokoa ny fanehoana ireo fizarana ireo.

Hira sy dihy ary fanentanana maro samifaha no nentina nanafana ny fotoana tamin'io andro io, ka ny ankamaroan’ny seho tamin'izany dia mahakasika ny fandriampahalemana avokoa. Tao anatin'izany ny fandraisana anjaran'ny chorale voix du Carmel, ny vondrona dihy Rianala, ary ny All DC sy izay nandravaka ny afon-dasy tamin'ity taona ity. Teo ihany koa ny fizarana Tenin'Andriamanitra sy Kalendrie ho an'ireo izay nanotrona ny fotoana tamin'io. Eny fa na dia vanim-potoana fahavaratra tokoa aza dia tsy nanakana ny olona ho tonga izany, anisan'izany ny SDB, FMA, Sœur de la Fraternité Contemplative, Postulants, olon-dehibe, ny tanora ary koa ny ankizy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 septambra 2026

• Nankalazaina omlay alahady ny Jobily faha-25 naha Eveka sy ny faha-40 taona naha Pretra an'i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Evekan'i Mahajanga... • Hanatanteraka fampiofanana ho an'ireo handimby toerana ny Birao Nasionaly, ny avy eo anivon'ny MDMK/CVX, amin'ity volana septambra ity... • Relijiozy Seleziana Don Bosco miisa 15 no manaraka fiofanana any Roma, hanao misionera...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...