Alahady faha-31 mandavantaona — B : ny didy ho antsika dia hoe: tiava ; raha misy tia ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy. Rehefa tsy henoina ny fananarana, ny toro-hevitra sy ny fanitsiana mba hatsara ny fiainana dia tapaka ny fifandraisana. Tena mamaly ny fitarainan'ny olona mangataka aminy Andriamanitra, aleontsika anefa manary dia amin-javatra hafa. Ny lovam-panahy amin'ny Jody dia nahangona fitsipika 613 avy amin'ny lalàna ao amin'ny Baiboly ka 365 dia fandrarana ary ny 248 dia miresaka ireo azo atao ; fa voafintin'i Jesoa amin'ny hoe fitiavana izy rehetra, izay tia ny namany dia efa azo antoka fa tia Azy Tompo ihany koa...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...