Tohizantsika hatrany izao fandinihana sy fibanjinana masina ataotsika izao ka androany indray isika dia hifampizara ny hoe: “toe-po sy toe-panahin’ny olona mivavaka”. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangindrainy, Sdb


Ny toe-po, toe-panahy na toe-tsain’olona mivavaka dia tsy ilay mahazatra antsika an-davanandro iny ihany, dia ny: mangataka famantarana, miandry fahagagana, mangataka zavatra, mangataka fahasitranana na miandry homena fotsiny ary rehefa tsy afa-po, satria tsy tanteraka izany fikasana sy faniriana izany dia mimenomenona ary miongotra sy mandao ny Eglizy mihitsy aza. Tsy izany ny toe-panahin’olona mpivavaka sy mino an’Andriamanitra. Ekena fa samy ilaintsika eo amin’ny fiainana izany rehetra izany ary azon’Andriamanitra tanterahina izany raha ilaina amin’ny hampitombo ny finoantsika azy ary anehoany ny fitiavany antsika. Fa alohan’izany rehetra izany sy alohan’ny hangataka fitahiana sy fahasoavana dia ilaina isika hanana toe-po sy toe-panahy miezaka hanana fifandraisam-pitiavana sy fitokisana amin’Andriamanitra amin’ny maha Ray azy sy maha zanaka antsika. Satria, ny ivavahana amin’Andriamanitra dia tsy ny hoe “mba tsy harary, na koa mba tsy ho azon-doza, na koa hoe tsy ho azon’ireo fijaliana ara-dalàna eo amin’ny maha olombelona sy maha zava-boary antsika fotsiny ihany. Fa ny ivavahana amin’Andriamanitra voalohany indrindra dia ny mba hananantsika toe-po sy toe-panahy ka hisafidy ny hiaraka sy hifikitra aminy na inona na inona mitranga eo amin’ny fiainana. Izany hoe: mety ho zoim-pahoriana ihany isika mpivavaka, toy ny efa nahazo an’i Kristy nefa afaka misafidy kosa ny hiaraka aminy ao anatin’izay manjo antsika ary hanome dikany eo ain’ny famonjena ny olombelona an’ilay fijaliana sy fahoriana mahazo antsika.
Ry Andriamanitra Andriananahary Babanay o, tantano izahay zanakao mamakivaky an’izao fiainana mandalo sy sarotra eto an-tany izao mba hanana fifandraisana lalina aminao amin’ny maha zanaka anay ka hiatrehanay isanandro miaraka aminao ny fiainanay. Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...