Rehefa avy nandalina ny fibebahana amin’ny ankapobeny isika omaly dia tohizantsika àry izao fandinihana masina izao ka androany isika dia handinika ny: “toe-po tokony hananan’ny olona mibebaka”. Ny toe-po sy toe-tsain’ny olona mibebaka dia “fitokisana ny fahasoavan’Adriamanitra ary ny fifikirana amin’Andriamanitra tanteraka”. Fandinihina masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb

Ny matoky ny fahasoavan’Andriamanitra eto dia tsy ilay iheverantsika azy an-davanandro hoe: “Ray mpiahy mahefa ny zavatra rehetra ary mpanao fahagagana Andriamanitra ka aoka izy no hanao ny zavatra rehetra”. Tsia! Tsy izany no atao hoe matoky ny fahasoavan’Andriamanitra ary izany toe-tsaina izany no mila fibebahana amin’izao karemy izao. Ny olona mibebaka marina sy matoky ny fahasoavan’Andriamanitra dia: “olona tsy miraviravy tanana eo amin’ny fiainana, tsy manao ariary zato am-pandriana ary tsy mihevitra an’Andriamanitra ho toy ny milina mpanao fahagagana. Fa ny olona matoky an’Andriamnaitra dia olona miasa, mikaroka, mikofoka ary manao sy manantanteraka izay tsy maintsy ataony mba hiveloman’ny ankohonany ary mametraka eo am-pelatanan’Andriamanitra ilay asa fihariana ataony rehetra. Ny olona matoky ny fitahian’Andriamanitra dia mahatsapa fa Andriamanitra dia manao ny asany ary isika kosa tsy maintsy manao ny anjarantsika. Ka tsy ampy ny hoe mivavaka dia miraviravy tanana avy eo. Satria tsy rongony mampatory ny fivavahana sy ny finoana an’Andriamanitra. Vy mampiaina sy manosika antsika hiasa sy hitraka ny fivavahana. Tsy ampy ny mandohalika ary miandry mana avy any an-danitra fa aoka isika hanova ny fomba fijeritsika ny fahasoavan’Andriamanitra sy ny asany eo amintsika.
Ry Andriamanitra Andriananahary Babanay o! zanakao ary antsoinao hatoky ny fahasoavanao izahay koa ampio izahay hahazo ny tianao hambara amin’ny maha Ray mpiahy anay anao ka sady hanao izay tsy maintsy hataonay eo amin’ny fiainanay ary hametraka eo am-pelatananao izay ezaka ataonay rehetra. Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 14 jolay 2025

• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...