Ry kristianina havana, sabotsy ny andro, dia mahatsiaro manokana an’i Masina Maria isika mianakavy, ilay Reny nanatri-maso ny fijalian-janany, ary niara-namakivaky taminy ny lalana mankany Kalvery. Reny, niaina ny fanenjahana, fiafiana, ranomaso sy fanalàm-baraka, nanomboka tamin'ny nanaovany hoe « ENY » teo anatrehan’ny Anjely, nitazona ny teny nomeny ka nahatanteraka ny sitrapon’Andriamanitra mba ho famonjena antsika olombelona.
Araka izany dia tsy mandeha irery isika eo am-pamakivakiana ny lalana izay itarihan’i Kristy zanany antsika, fa eo i Masina Maria ilay Reny mpitari-dalana sy mpanoro hevitra ary vonjin’ny kristianina hanampy antsika raha vonona ny hanokatra ny fontsika isika. Zavatra telo no azo tsoahina avy amin’ny toetran’i Masina Maria teo am-pihatrehana ny fijalian-janany. Ny voalohany dia ny fanekena, ny faharoa ny fahanginana, ary ny fahatelo ny faharetana.
Ny fanekena : nanaiky hatramin’ny farany fa tsy nivadi-po, ary nanaiky izay zavatra niseho teo amin’ny fiainany. Mora ny manaiky fa sarotra ny miaina azy, hitantsika izany endrika fanekena na fifanekena eo amin’ny fanambadian’ny mpivady, ny voady ataon’ny relijiozy, ny fianianana ataon’ny mpitondra mialohan’ny andraisany ny asany, toy izay ihany koa ireo mpitsabo, mpisolovava, sns… Samy miezaka manaja sy manaiky ary miaina ny fianianana nataony, satria iraka ireny ary adidy voalohany ho an'izay irahina no manatanteraka ny sitrapon’ilay mpaniraka, mba ho mendrika ny karamany ny mpiasa. Isika tsirairay dia samy manana ny iraka andrasan’ny Ray amintsika, ao ny voairaka hikarakara ny ankohonana, eo ny manatontosa tsara ny fianarany, eo ny manokan-tena ho an’Andriamanitra hanompo ny madinika, eo ny voairaka hitondra sy hanompo ny vahoaka eo amin’ny firenena, hitsabo, hiaro ny vahoaka sy ny fananany, sns…. Fa raha ireny rehetra ireny no atao ao anaty fanekena sy fankatoavana dia hirindra ny fiaraha-monina misy antsika.
Ny toetra faharoa dia ny fahanginana. Isan’ny toetra anankiray mety hoe tsy voalaza loatra mahakasika an’i Masina Maria ny fahanginany, ny fahanginana izay manosika handinika manoloana ny fanapaha-kevitra lehibe, fahanginana manome lanja ny sofina hihaino fa tsy ny vava hiteny mandrakariva, fahanginana milaza fankatoavana ka vonona hanatanteraka izay nanirahana. Raha mamadika ny baiboly isika dia hita taratra ao ny hasarobidin’ny fahanginana, araka ny ao amin'ny bokin’ny Fahendrena 18, 14 : « Tamin'izay raha ilay saronan'ny fahanginana lehibe ny tany manontolo, dia nahatratra ny antsasa-dalany ny alina faingam-pandeha iny, dia niezaka avy any an-tampon'ny lanitra ny teninao mahefa ny zavatra rehetra. ». Ao amin’ny fahanginana no hahafahantsika tena mibanjina ny fitiavan’Andriamanitra ary mihaino ny feony, ao anatin’ny fahanginana no handrenesantsika sy handraisantsika ny hafatra marina avy amin’i Jesoa kristy manoloana ny feo maro samihafa mibitsika amintsika, toy ny : feon’ny kolikoly, feon’ny fankahalàna, feon’ny fialonana, feon’ny lainga sy fitaka, feon’ny herisetra, feon’ny fanavakavahana ary ny feon’ny fitiavan-tena sy tsy firaikàna manoloana ny fahorian’ny hafa. Noho izany, araka ny efa nambaran’ny Papa François ombieny ombieny ihany koa, raha tsy miaina ny fahanginana isika dia tsy tonga lafatra ny teny avoakan’ny vavantsika, araka ny voalaza ao amin’ny bokin’ny Ohabolana 18, 21 : "Manam-pahefana hahafaty sy hamelona ny lela; ka araka izay fidiny dia hohanin'ny olona ny voany." Koa andeha ary hovolentsika ny fahanginana mba ho lasa tena mpamafy fiadanana sy fanantenana marina isika araka ny finirian'ny Ray masina ho an’ny Madagasikara.
Ary ny toetra fahatelo farany dia ny faharetana. Ny fitiavana no fototra iorenan’ny faharetana, ary mampaharitra antsika amin’ny fijaliana aman-tsedra maro samihafa. Diniho tsara anie ny toetran’i Masina Maria e! Noraisiny tamim-pitiavana i Piera na dia efa nandà an-Janany in-telo aza, ary na nandalo fanenjehana sy hazalambo aza ireo ankohonam-piainana kristianina voalohany, dia teo hatrany i Masina Maria ary nanana fanantenana lehibe amin’ilay fanjakana maharitra mandrakizay. Ireo endrika roa ireo dia efa azo hamaritana ny hasarobidin’ny faharetana. Koa asaina ary isika mianakavy hiaina ny faharetana ao anatin’ny fitiavana, ka vonona handray sy hitondra ireo hazofijaliantsika isan'andro miaraka amin’i Jesoa sy i Masina Maria ka na eo aza ny fakam-panahin’ny fahakiviana sy ny fahadisoam-panantenana dia vonon-kiarina hatrany. Hamarantsika izao fandinihana izao ary dia ndeha isika hanandratra vavaka amin’ilay Ray tiantsika miaraka amin’i Masina Maria ka hahatsiaro manokana an’ireo izay mijaly sy marary ary eo ambavahaon’ny fahafatesana ankehitriny.
Ry Masina Maria Reny malalanay ô,
Rehefa tonga ny fotoana tsy maintsy hanapahanay hevitra
Ianao ilay Reny notsidihin’ny Anjely, ampio izahay mba hahay hiteny hoe « ENY ».
Rehefa tonga ny fotoana handaozanay ny tany,
Ianao ilay Reny tany Ejipta, andefomandrin’i Joseph, velomy ao am-ponay ny fanantenana.
Rehefa tonga ny fotoana hitrangan’ny fisalasalana eo aminay,
Ianao ilay Reny tao Jerosalema, voleo faharetana ny fonay.
Rehefa tonga ny fotoana tokony hidiranay an-tsehatra sy hitenenanay,
Ianao ilay Reny tao Kanà, omeo risi-po sy teny feno fanetren-tena izahay.
Rehefa tonga ny fotoana ijalianay,
Ianao ilay Reny tao Golgotha, ataovy mipetraka eo an-tongotr’ireo izay mijaly tahaka ny Zanakao izahay.
Rehefa tonga ny fotoanan’ny fiambenana,
Ianao ilay Reny tao amin’ny Senakla, voleo ao am-ponay ny fiombonam-bavaka.
Ary toy ny isan'andro, rehefa mipaika ilay oran’ny asa aman-draharaha fanaonay,
Ianao ilay Reny tao Nazareta, omeo fo tia manompo ny namana izahay.
Amen.