Ny vatsim-panahy dia fandalinam-pinoana sy hizarana sori-dalana pastoraly. Tsy misy olona mamonjy tena samirery fa miara-dalana. Taona litorjika vaovao indray no atolotry ny Eglizy hiainantsika dia ny "fiavian'ny Tompo". 28 andro no hiomanana amin'ny noely izay fiavian'ny Tompo. Ny Evanjely vakiana amin'ny alahady voalohany amin'ny fiaviana dia milaza ny fotoana hatongavan'i Jesoa eo anivon'ny olona indray, ka ny toetra tokony hananana hiatrehana izany no resahina betsaka ao : miambena izay midika hoe mivonona ara-panahy...
• Nankalazaina ny alahady 5 jolay 2026 ny Andron'ny Diosezin'i Mananjary... •Notanterahina nandritra ny telo andro tamin'ny herinandro lasa teo ny Antenimieran'ny tanora tao amin'ny Diosezin'i Port-Bergé... •Maniry ny hisian'ny fifampiresahana amin'ireo andrim-panjakana any Panama ny Fivondronamben'ny Eveka any an-toerana...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco