Vakiteny voalohany
Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 5, 27b-32. 40b-41)
Izahay sy ny Fanahy Masina no vavolombelon’ny teny lazainay.
Tamin’izany andro izany, nentina teo amin’ny Sanedrìna ny Apôstôly,
ary nadinin’ny lehiben’ny mpisorona izy ireo nataony hoe:
“Efa noraranay mafy ianareo mba tsy hampianatra amin’izany Anarana izany,
kanjo vao mainka naelinareo eran’i Jerosalema ny fampianaranareo,
ary izahay indray tadiavinareo hianjeran’ny Ran’iny Lehilahy iny”.
Fa namaly i Piera sy ny Apôstôly ka nanao hoe:
“Aleo manaiky an’Andriamanitra toy izay ny olombelona.
Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona i Jesoa,
izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo.
Izy nasandratry ny tanana ankavanan’Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy,
mba hanome fibebahana sy famelan-keloka an’i Israely.
Ary izahay sy ny Fanahy Masina, nomen’Andriamanitra an’izay rehetra manaiky Azy,
no vavolombelon’izany zavatra izany”.
Ary nony efa nasainy nokapohina tamin’ny tsora-kazo ny Apôstôly,
sy noraràny mafy tsy hiteny amin’ny Anaran’i Jesoa intsony, dia nalefany.
Nony niala tamin’ny Sanedrìna ny Apôstôly, dia nandeha an-kafaliana,
satria natao mendrika ny hitondra fahafaham-baràka noho ny Anaran’i Jesoa.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo fandinihana
Sal. 29, 2 sy 4. 5-6. 11 sy 12a sy 13b
Izaho hidera Anao, ry Tompo, satria Ianao nanafaka ahy.
Izaho midera ny Tompo nanafaka ahy:
tsy navelany hifaly ny rafiko.
Ny fanahiko efa tany an-tSeoly
dia nakarinao, ry Tompo ô!
izaho efa tany am-pasana
dia novelominao indray!
Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka;
isaory ny Anarany masina.
Mandalo ihany ny hatezerany,
ny fanambinany kosa maharitra:
hariva aho nitomany,
fa nony maraina, velon-kira.
Tompo ô, aoka Ianao handreny;
miantrà re, tongava hamonjy.
Dia navadikao ho dihy
ilay hira fitarainako;
Ry Tompo Andriamanitro ô,
mandrakizay no hisaorako Anao!
Vakiteny faharoa
Boky Fanambaràna nosoratan’i Masindahy Joany Apôstôly (Apôk. 5, 11-14)
Ny Zanak’ondry izay voavono no mendrika handray ny fahefàna sy ny haja.
Izaho, Joany, nahita sy nandre ny feon’Anjely maro be,
nanodidina ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina ary ireo Anti-dahy,
ka ny isany dia alinalina sy arivoarivo, nanao tamim-peo mahery hoe:
“Ny Zanak’ondry izay voavono no mendrika handray ny fahefana,
ny harena, ny fahendrena, ny hery, ny haja, ny voninahitra ary ny saotra”.
Ary reko ny voaary rehetra any an-danitra sy ety an-tany ary any ambanin’ny tany,
mbamin’izay any anaty ranomasina, sy ny zavatra rehetra ao anatin’ireo indray nilaza hoe:
“Ho an’Ilay mipetraka eo amin’ny seza fiandrianana
sy ho an’ny Zanak’ondry anie ny dera sy ny haja,
ary ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay mandrakizay”.
Dia novalian’ny Zava-manana aina efatra hoe:
“Amen!”
Ary ny Anti-dahy efatra amby roapolo niankohoka nitsaoka an’Ilay velona mandrakizay mandrakizay.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 1-19)
Tonga i Jesoa ary nandray ny mofo sy nanome azy ireo, ary toy izany koa ny hazandrano.
Tamin’izany andro izany i Jesoa dia niseho tamin’ny mpianany indray,
teo amoron’ny ranomasin’i Tiberiady,
ary toy izao no nisehoany:
Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay atao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea,
mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa.
Fa hoy i Simôna Piera tamin’izy ireo:
“Handeha hanarato aho”.
Fa hoy ireo taminy:
“Handeha hiaraka aminao koa izahay”.
Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely,
nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny.
Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa;
kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy.
Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo:
“Manan-kanina va ianareo, anaka?”
Dia hoy ny navaliny Azy:
“Tsia”.
Hoy Izy tamin’izy ireo:
“Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo”.
Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano.
Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera:
“Ny Tompo io”.
Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io,
dia noraisiny nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny,
ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy.
Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely
(fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roanjato hakiho monja),
nitarika ny harato feno hazandrano.
Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo,
dia nahita vainafo sy hazandrano iray teo amboniny ary mofo.
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Itondray ny hazandrano vao azonareo”.
Dia niakatra i Simôna Piera,
ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato;
nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy.
Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo:
“Avia hisakafo”.
Ny mpianatra izany tsy nisy na iray aza sahy nanontany Azy hoe:
“Iza moa Ianao?”
Satria fantany ihany fa ny Tompo io.
Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo;
ary toy izany koa ny hazandrano.
Izany no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany,
rehefa nitsangan-ko velona Izy.
Nony avy nisakafo izy ireo, dia hoy i Jesoa tamin’i Simôna Piera:
“Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?”
Ka hoy ny navaliny azy:
“Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao”.
Dia hoy Izy taminy:
“Fahano ny zanak’ondriko”.
Ary hoy indray Izy taminy fanindroany:
“Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?”
Ka hoy ny navaliny Azy:
“Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao”.
Dia hoy Izy taminy:
“Fahano ny zanak’ondriko”.
Ary hoy indray Izy taminy fanintelony:
“Ry Simôna zanak’i Joany, moa tianao va Aho?”
Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe:
Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy:
“Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko,
ka fantatrao fa tiako Ianao”.
Dia hoy Izy taminy:
“Fahano àry ny reniondriko.
Lazaiko marina dia marina aminao:
Fony mbola tanora ianao, dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha;
fa rehefa antitra kosa ianao, dia hiraviravy ny tananao,
ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin’izay tsy tianao”.
Izy no nilaza izany,
dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra.
Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe:
“Manaraha Ahy”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Nitsangan-ko velona i Kristy, Ilay nahary ny zavatra rehetra ary niantra ny zanak’olombelona.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo. 21, 1-14)