Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 14. 22-28)

Tsy azo atao ny hihazonan’ny fatoran’ny fahafatesana an’i Jesoa.

Nony tonga ny andro Pantekôty,
dia nitsangana niaraka tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy i Piera,
ka nanao antso avo niteny hoe:

“Ry Jody sy ianareo rehetra izay mitoetra eto Jerosalema,
fantaro tsara izao,
ary mampandria sofina amin’ny teniko:
I Jesoa avy any Nazareta,
Lehilahy nankatoavin’Andriamanitra teo imasonareo
tamin’ny asa lehibe sy ny fahagagana
ary ny famantarana nampanaoviny Azy teo aminareo,
araka ny fantatry ny tenanareo,
dia natolotra araka ny lahatr’Andriamanitra tsy miovaova
sy ny fahalalany mialoha,
ka nofantsihanareo tamin’ny Hazofijaliana
sy novonoinareo tamin’ny tanan’ny ratsy fanahy;
fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona
sy nahafaka Azy tamin’ny fatoran’ny fahafatesana,
satria tsy azo atao ny hihazonan’izany Azy,
araka ny voalazan’i Davida ny aminy hoe:
Nijery ny Tompo teo anatrehako lalandava aho,
satria eo ankavanako Izy mba tsy hihozongozona aho.
Noho izany, ny foko miravoravo, ny lelako mirobiroby,
ary ny foko hitombina amin’ny fanantenana,
fa tsy ho foinao ao amin’ny fitoeran’ny maty ny aiko,
ary tsy hatolotrao hafoy ho tratry ny lo ny Masinao.
Nampahafantatra ahy ny lalan’aina Ianao,
ary nameno hafaliana ahy amin’ny fampisehoana ny Tavanao amiko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

(Sal. 15, 1-2a. sy 5. 7-8. 9-10. 11)

Ny Teninao, ry Tompo, no faniloko. Ny lalanao, ô ry Ray ô, no tianay haleha.

Andriamanitra ô, ambeno aho mifefy aminao!
Ianao, ho’aho, ry Tompo, no Andriamanitra;
Ianao no hasambarako:
Ny Tompo ny ahy no zara lovako;
ianao no rakitro mateza.

Isaorako ny Tompo manolo-tsaina ahy,
alina avy ny foko no toroany.
Ataoko anoloana hatrany ny Tompo,
izaho tsy hiala eo ankavanany.

Koa faly ny foko, ravo ny fanahiko,
ny nofoko avy no mandry amin-toky.
Ny fanahiko tsy hafoinao ho any an-tSeoly,
ity sakaizanao tsy hekenao hahita ny hady;

Fa iny lalan’ny fiainana
no hatoronao ahy:
hafenoam-pifaliana anoloanao,
hafinaretan-dava ankavananao.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 1, 17-21)

Navotana tamin’ny Ra sarobidin’i Kristy, ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema, ianareo.

Ry hava-malala,
raha Ilay tsy mizaha tavan’olona,
fa mitsara ny olona rehetra araka ny asany avy,
no antsoinareo hoe Ray,
dia aoka hitondra tena amim-pahatahorana ianareo,
mandritra ny andron’ny fivahinianareo ety,
satria fantatrareo fa ny nanavotana anareo
ho afaka tamin’ny fitondran-tena adala nentim-paharazana,
dia tsy zavatra mety simba toy ny volamena na volafotsy,
fa ny Ra saro-bidin’i Kristy.
Ilay Zanak’ondry tsy manan-tsiny aman-kilema,
dia Ilay talohan’ny nahariana an’izao tontolo izao no efa voatendry,
fa tamin’izao andro farany izao vao naseho, noho ny aminareo.
Tamin’ny alalany no nahazoanareo finoana an’Andriamanitra,
Izay nanangana Azy ho velona,
sy nanome voninahitra Azy,
ka zary fanantenana an’Andriamanitra koa ny finoanareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo;
Ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 24, 13-35)

Teo am-pamakiana ny mofo no nahafantaran’izy ireo Azy.

Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro ihany
dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny vohitra anankiray atao hoe Emaosy,
tokony ho enimpolo stady raha avy eo Jerosalema.
Niresaka ny zava-niseho rehetra izy ireo.
Ary raha mbola niresaka sy nifampilaza izay heviny teny izy,
dia nanatona azy i Jesoa ka niara-dalana taminy;
fa voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’izy ireo.
Hoy Izy taminy:

“Inona izato resahinareo ety an-dalana,
no toa dia efa malahelo ery ianareo izany?”

Dia namaly ny anankiray atao hoe Kleôfasy ka nanao taminy hoe:

“Ianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema
tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato?”

Fa hoy Izy tamin’ireo:

“Zavatra inona moa izany?”

Dia hoy ireo:

“Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta,
izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny,
teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra,
dia ny amin’ny nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny lehibentsika Azy ho faty,
mbamin’ny namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana.
Nanantena izahay fa hoe Izy no Ilay hanavotra an’i Israely:
kanjo indro fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nisehoan’izany.

Nisy ihany tokoa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra,
fa tany amin’ny fasana maraina koa izy ireo,
ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny,
nefa nahita Anjely niseho taminy, nanambara fa velona Izy.
Dia nankany amin’ny fasana ny sasany taminay
ka nahita araka izay nolazain’ny vehivavy,
nefa tsy nahita Azy”.

Ary hoy Izy tamin’izy ireo:

“Ry adala sy votsa saina amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny Mpaminany!
Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy
mba hidirany amin’ny voninahiny?”

Dia novoasany tamin’izy ireo ny tenin’i Môizy
sy ny Mpaminany rehetra manambara Azy ao amin’ny Soratra Masina.
Nony mby tao akaikin’ny vohitra halehan’izy roa lahy izy ireo,
dia nanao hoatra ny mbola handeha lavidavitra ihany i Jesoa
fa notanan’izy ireo nataony hoe:

“Mitoera re aty aminay,
fa efa ho hariva izao,
efa mandrorona ny andro”.

Dia niditra niara-nijanona tamin’izy ireo Izy.
Ary rehefa niara-nihinana izy ireo,
dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakìny,
dia natolony azy ireo.
Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy,
fa Izy kosa tonga tsy hitany intsony.
Dia nifampilaza izy hoe:

“Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika,
fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana,
sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika!”

Niaraka tamin’izay dia nitsangana izy ireo
ka niverina tany Jerosalema,
ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory
sady nilaza hoe:

“Efa nitsangana tokoa ny Tompo,
ary efa niseho tamin’i Simôna Izy”.

Dia mba notantarain’izy ireo kosa
ny zavatra niseho taminy teny an-dalana
sy ny nahafantarany Azy tamin’ny famakiana ny mofo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...