Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 2, 42-47)

Niray toerana ny mpino rehetra, dia niombonany ny fananany rehetra.

Nazoto ireo mpino tamin’ny fampianaran’ny Apôstôly sy ny famonjem-pivoriana,
ary tamin’ny famakiana ny mofo sy ny fivavahana rehetra.
Betsaka koa ny fahagagana sy ny famantarana nataon’ny Apôstôly tao Jerosalema,
ka raiki-tahotra ny olona rehetra.
Niray toerana ny mpino rehetra,
dia niombonany ny fananany rehetra,
sy namidiny ny taniny sy ny fananany,
ka nozarazaraina tamin’izy rehetra,
araka izay nilainy avy.
Nazoto niaranankao amin’ny Tempoly isan’andro izy rehetra,
sy namaky mofo tany an-tranony
ary nihinan-kanina tamin-kafaliana sy fahatsoram-po,
niarani-dera an’Andriamanitra sady tsara laza tamin’ny vahoaka rehetra.
Ary nanampin’ny Tompo isan’andro ho isan’izy ireo ny olom-bonjena.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

(Sal. 117, 24. 13-15. 22-24)

Miderà ny Tompo, fa tsara fo Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony.

Valion’i Israely manontolo:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion’ny fokon’i Aarôna:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!
Valion’ny matahotra ny Tompo:
Eny, mandrakizay ny fitiavany!

Naronjiny aho mba ho lavo;
ny Tompo kosa namonjy ahy.
Ny Tompo no heriko sy tanjako;
izy no Mpamonjy ahy.

Injao hobin-kafaliana manakoako
ao amin’ny fonenan’ny olo-marina;
hoy ny antso fandresena:
Ny tanan’ny Tompo naneho hery.

Nanandratra ahy ny tanan’ny Tompo;
ny tanan’ny Tompo naneho hery!
Tsy maty aho fa velona
hitanisa ny asan’ny Tompo.

Vakiteny faharoa

Taratasy voalohan’i Masindahy Piera Apôstôly (1 Pi. 1, 3-9)

Niteraka antsika ho amin’ny fanantenana velona ny Tompo noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona.

Ry kristianina havana,
hisaorana anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika,
izay niteraka antsika indray,
araka ny haben’ny famindram-pony,
noho ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona,
ho amin’ny fanantenana velona,
hahazo ny lova tsy mety simba,
tsy misy pentina,
tsy mety levona,
izay voatahiry ho anareo any an-danitra,
dia ianareo izay arovan’ny herin’Andriamanitra amin’ny finoana,
ho amin’ny famonjena izay efa vonon-kaseho amin’ny andro farany.
Ny fiheverana an’izany no iravoravoanareo
nefa mbola tsy maintsy hampahorian’ny fitsapana samihafa vetivety ihany ianareo,
ka rehefa voazaha toetra ny finoanareo
izay ambony lavitra noho ny volamena
(io anefa mba zahan-toetra amin’ny afo ihany
na dia zavatra mety simba aza),
dia ho hita fa manjary dera sy voninahitra ary haja ho anareo izany,
amin’ny andro hisehoan’i Jesoa Kristy.
Tia Azy ianareo,
na dia mbola tsy nahita Azy na oviana na oviana aza;
mino Azy ianareo,
na dia izao aza mbola tsy mibanjina Azy;
izany no iontanan’ny fonareo
amin’ny hafaliana tsy hay lazaina sy be voninahitra,
sady matoky ianareo fa hahazo ny antenain’ny finoanareo,
dia ny famonjena ny fanahinareo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy;
fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i MAsindahy Joany (Jo. 20, 19-31)

Nony afaka hateloana dia tonga i Jesoa.

Nony hariva ny andro voalohany amin’ny herinandro,
raha nirindrina ny varavaran’ny trano nivorian’ny mpianatra,
noho ny fahatahorany ny Jody,
dia tonga i Jesoa ka nitsangana teo afovoany,
sy nilaza tamin’izy ireo hoe:

“Ho aminareo anie ny fiadanana!”

Nony efa nilaza izany Izy,
dia nasehony azy ireo ny tanany sy ny tratrany,
ka faly ny mpianatra fa nahita ny Tompo.
Dia hoy indray Izy tamin’izy ireo:

“Ho aminareo anie ny fiadanana!
Tahaka ny nanirahan’ny Raiko Ahy
no anirahako anareo koa”.

Rehefa nilaza izany Izy,
dia nitsoka ka nanao tamin’izy ireo hoe:

“Raiso ny Fanahy Masina:
ny fahotana izay havelanareo dia ho voavela,
ary izay hotananareo dia ho voatana”.

Fa i Tômà, ilay atao hoe Didimo,
anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy kosa,
tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa.
Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy:

“Efa nahita ny Tompo izahay”.

Fa hoy izy tamin’ireo:

“Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika
ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako,
ary atehiko amin’ny tratrany ny tanako,
dia tsy hino aho”.

Nony afaka havaloana,
raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany
sady teo koa i Tômà,
dia tonga i Jesoa,
nefa nirindrina ny varavarana.
Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe:

“Ho aminareo anie ny fiadanana!”

Ary hoy Izy tamin’i Tômà:

“Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako,
ary arosoy ny tananao, ka atehafo eto amin’ny tratrako,
dia minoa, fa aza malain-kino”.

Dia namaly i Tômà ka nanao hoe:

“Tompoko sy Andriamanitro!”

Fa hoy i Jesoa taminy:

“Nino ianao, ry Tômà,
satria nahita Ahy;
sambatra izay tsy nahita ka nino”.

Maro koa ny fahagagana nataon’i Jesoa
teo imason’ny mpianany no tsy voasoratra amin’ity boky ity.
Fa voasoratra ireto mba hinoanareo
fa i Jesoa Kristy dia Zanak’Andriamanitra,
ary mba hahazoanareo ny fiainana amin’ny Anarany,
amin’ny finoana Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...