Talata 30 novambra 2021 — Masindahy André, Apôstôly — Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo, fa hataoko mpanarato olona ianareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 4, 18-22

Teo am-panaratoana trondro ireto mpianatra ireto no nantsoin’i Jesoa hanaraka Azy ka ho tonga mpanarato olona. Ny asa aman’andraikitra atao isan’andro no mamolavola azy ireo, dia ilay manangona ny trondro miparitaka any anaty ranomasina any. Azo vinavinaina amin’izany ny hanangonan’ireto mpianatra ireto ny olona ho ao amin’ny Fiangonana aorin’i Jesoa mba hahazo ny famonjena. Miara-miasa amin’ny olombelona i Jesoa amin’ny famonjena an’izao tontolo izao. Nanandratra ireto mpanarato trondro ho tonga mpanarato olona. Asa ambony tokoa izany satria asan’i Jesoa no ampanaoviny azy ireo. Ireo Apôstôly ireo no vato fototra iorenan’ny Fiangonana. Koa ankehitriny ny Fiangonana no manohy ny asa famonjena natombok’i Jesoa. Ireo nomena andraikitra ao amin’ny Fiangonana dia iraka ihany koa toa an’ireo Apôstôly, manomboka any amin’ny fototra ka hatrany amin’ny faratampony any.

Matetika ny hieverana ny antson’Andriamanitra dia ny an’ireo Pretra sy Relijiozy ihany. Ny vita Batemy rehetra anefa no antsoina hanitatra ny Fanjakan’Andriamanitra eto an-tany saingy samy manana ny sehatra misy azy ny tsirairay avy. Koa na aiza na aiza misy antsika dia irak’Andriamanitra isika hanatanteraka ny sitrapony araka ilay vavaka ataontsika isan’andro manao hoe "ho tonga anie ny Fanjakanao ; ho tanteraka anie ny sitraponao". Koa adidintsika ny miezaka manova ny tontolo misy antsika ho tontolo hifanaraka amin’ny sitrapon’Andriamanitra. Mankalaza an’i Masindahy André isika anio ; ohatra velona izy amin’ny famaliana ny antso nataon’i Jesoa taminy : "Avia hanaraka Ahy fa ataoko mpanarato olona ianareo". Tsy nisalasala fa nandao ny haratony, ny asa fivelomany isan’andro ka nanaraka an’i Jesoa. Nanaiky hampiasa ny harato nomen’i Jesoa azy. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...