Sabotsy 16 oktobra 2021 — Herinandro fahavalo amby roapolo mandavantaona — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 8-12

Mbola manohy ny resaka mahakasika ny fijoroana ho vavolombelon’i Kristy, izay efa noresahana teto omaly ny Evanjely vao novakiana tamintsika teo. Manampy antsika ho vonona tsy amin-tahotra sy tsy amim-pisalasalana ilay fitsarana ho avy ny ezaka atao ho fanatsarana bebe kokoa io fijoroana ho vavolombelon’i Kristy Jesoa io. Tsara homarihana fa mifototra amin’ny fahaiza-mifandray amin’i Kristy izany fitsarana farany izany ka izay tsy niraharaha an’i Kristy na koa nandà ny maha-Tompo sy Andriamanitra azy dia hahatsiaro tena ho irery tanteraka manoloana ny fitsarana ; fa ireo niaro azy na dia tao anatin’ny fanenjehana aza izy dia hahatsapa ny fisiany eo akaikiny mandritra ny fitsarana, satria hiaro sy hisolo vava azy i Kristy ; ary ny Fanahy Masina koa hanoro azy ny teny tokony hotenenina mba tsy hananan’ireo mpanameloka azy halahatra.

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...