Sabotsy 9 oktobra 2021 — Herinandro fahafito amby roapolo mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 27-28

Anisan’ny fahasambarana ho an’ny ray aman-dreny ny fananana zanaka hendry sy olom-banona, satria hoe tsy niteraka zana-baratra fa voromanga niteraka voromanga, ary ny hazo no vanon-ko lakana dia ny tany naniriany no tsara. Dia toy izany koa ny fahitan’ity vehivavy iray teo anivon’ny vahoaka izay azo faritana hoe nitsiriritra satria manan-janaka hendry i Masina Maria manana an’i Jesoa. Raha tsorina dia hoe ny fananana zanaka hendry no mitondra fahasambarana ho an’ilay nahitana masoandro. Tsy nandà an’izany i Jesoa satria zava-marina sy zava-misy, fa mainka sambatra aza, hoy i Jesoa, izay mihaino ny tenin’Andriamanitra ka mitandrina azy. Ny fandraisana sy ny fankafizana ny tenin’Andriamanitra dia anisan’ny zava-dehibe hafa ankoatra ny fahaterahana ara-nofo.

Ry havana, raiso ny tenin’Andriamanitra ary ankatoavy, hiaino ka ataovy tonga nofo eo amin'ny fiainana, satria efa natoron’i Kristy androany ny tsiambaratelon’ny fahasambarana, dia ny tenin’Andriamanitra.

Raisiko ny anjara manandrify ny fiantsoanao ahy, vonona aho ity hamin'ny fara-fofon’aiko. Fa izany no voadiko masina ry Andriamanitra Raiko ! Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...