Alakamisy 16 septambra 2021 — Herinandro fahefatra amby roapolo mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 36-50
"Voavela ny heloka be vitany satria be fitiavana izy". Ny fitiavana, araka izany, no mari-drefy handrefesana ny olona iray na mendrika izy na tsia. Nasehon’ity vehivavy ity ny halehiben’ny fitiavany teo anatrehan'i Jesoa : nitomany teo an-tongotr'i Jesoa izy ary mbola nofaohiny tamin’ny volon-dohany indray ny ranomaso teo amin’ny an-tongony. Nahatsapa ny haratsian’ny fahotana izy ka nalahelo sy nanenina : ambaran’ny ranomaso narotsany teo an-tongotr'i Jesoa izany. I Jesoa iantefan’ny fangatahana fahamelana koa anefa tsy afaka ny tsy hamela heloka eo anatrehan’ny olona mibaboka sy mivalo. Eto koa anefa no hahatsapana ny halehiben’ny fitiavan’Andriamanitra ny mpanota. Tsy hoe ny mpanota mantsy no tsy tian’Andriamanitra fa ny fahotana. Isika olombelona no malaky manome tsiny sy manameloka avy hatrany, mitsara ivelany ny olona manodidina antsika indraindray. Andriamanitra kosa anefa tsy hamela antsika zanany ho voafatotry ny ota.
Koa ho ohatra ho tahafintsika ity vehivavy ity amin’ny endrika anehoana ny fibebahana marina. Eo ny fanatonany an'i Jesoa, ny fandrotsahany ny ranomasiny amin’ny tongony, ny namaohiny ny tongony tamin’ny volon-dohany, ny nanosorany menaka manitra ny tongony, ny nanorohany ny tongony. Fihetsika maneho fanetren-tena sy fitiavana. Milefitra Andriamanitra eo anatrehan’ny fanetren-tenan’ny mpanota mivalo. Indraindray misy milaza fa tsy mendrika makany am-piangonana izy satria mpanota. Mbola tsy mahalala ny halalin’ny fitavan’Andriamanitra izany. Ny mpanota indrindra no irin’Andriamanitra hody ao an-tranon-dRay, hazoto hivavaka mba hahatsapa fa Fitiavana Andriamaintra. Amen.