Talata 14 septambra 2021 — Ny nanandratana ny Hazofijaliana — Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 13-17
Famantarana lehibe ho an’ny kristiana ny Hazofijalina. Noheverin’ny hafa firenena na ny jentily ho fahafahambaraka ny fahafatesan'i Jesoa teo amin’ny Hazofijaliana satria noheveriny fa izany Andriamanitra izany mahery, manana hery tsy hay tohaina ka nahoana i Jesoa Zanak’Andriamanitra no ho faty eo, tsy manana ny hery hanoherana izay miseho eo. Hadalana ho an’ny Jody ny fahafatesan'i Jesoa eo amin’ny Hazofijaliana satria fahafatesana mitovy amin’ny fahafatesan’ny jiolahy : jiolahy voheloka ho faty no fantsihana amin’ny Hazofijaliana. Ho antsika kristiana kosa, tonga rehareha ny Hazofijalian'i Kristy satria tanteraka eo ny famonjena ; teo no nandresen'i Jesoa ny ratsy rehetra, nandreseny an’izao tontolo izao rakotry ny haratsiana, ny fahotana, ny fahafatesana, teo no nanamporofoany ny tena fitiavana satria teo Izy no nahafoy ny ainy ho famonjena antsika olombelona. Satria Izy ihany no nilaza hoe "tsy misy manam-pitiavana lehibe noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany".
Fiheverana tamin’izany ny hoe izay mihantona amin’ny hazo dia voahozona. Efa navadik'i Jesoa izany fiheverana izany ka Izy nihantona teo amin’ny hazo no nanasitrana izay rehetra nibanjina Azy, tahaka ny bibilava nasandratr'i Môizy tany an’efitra izay nahavelona ireo Jody maro voakakitry ny bibilava noho ny fimonomononana. Izay mino an’i Jesoa mifantsika eo amin’ny Hazofijaliana dia voavonjy ka hananana ny fiainana amndrakizay. I Jesoa mifantsika eo amin’ny Hazofijaliana no anehoan’Andriamanitra ny fitiavany antsika olombelona satria foiny ho antsika ny Zanany Lahitokana. Ahantona eny amin’ny rindrina ao an-trano, any amin’ny efitranon’ny Hôpitaly hanambarana ny fiombonam-pijalinan’ny marary amin’ny fijalian'i Kristy, atao lehibe sy talakimaso any am-piangonana, apetraka ihany koa eny amin’ny fasana io Hazofijalian'i kristy io. Koa noho izany tsy afa-misaraka amin’ny fiainantsika ny Hazofijalina ho mariky ny fiombonantsika aina amin'i Kristy. Manampy antsika hifamela heloka sy hamitram-pihanana ary hifakatia koa ny Hazofijalina raha misy ny ady sy ny disadisa eo amin’ny fiaraha-monina satria eo i Jesoa no mapihavana antsika amin’ny Ray sy amintsika samy isika. Amen.