Alatsinainy 13 septambra 2021 — Herinandro fahefatra amby roapolo mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 7, 1-10

Tsy Jody ity miaramila kapiteny ity fa Rômana. Ny fahenoany ny lazan'i Jesoa no nahatonga azy handefa iraka any Aminy mba hanasitranany ny ankizilahiny na mpanompony satria tiany loatra ity farany. Efa manana ny toe-po amin’ny fanaovana asa soa ity kapiteny ity satria nanampy tamin’ny fanamboarana ny Sinagôga, trano fivavahana ho an’ny Jody. Nisokatra sy nivelatra tamin’ny fanaovana asa soa ny fiainany na dia amin’ny tsy iray firenena aminy aza. Neken'i Jesoa ny faniriany dia ny hahasitrana ny ankizilahiny. Eo koa anefa ny fomba amam-panao jody, manahirana ny miditra ao an-tranon’ity kapiteny rômana ity satria heverina ho tsy mpino ka mampaloto eo amin’ny lafiny ara-panahy sy ara-pivavahana ny miditra ao an-tranony. Najainy izany finoana jody izany. Noporofoiny tamin'i Jesoa anefa fa manana finoana izy matoa mangataka Aminy mba hanasitrana ny mpanompony : na teny iray maneho fanasitranana ihany aza no aloaky ny vavan'i Jesoa dia ho tanteraka aminy izany. Nampiaiky an'i Jesoa ny halalin’ny finoan’ity kapiteny ity ka niloa-bava Izy nanao hoe : "Tsy mbola nahita finoana lehibe toy izany Aho, na dia tamin’Israely aza".

Etsy andaniny koa anefa tsy nihaona mivantana amin'i Jesoa ity miaramila rômana ity ; iraka no nirahiny hihaona Aminy. Entina ilazana fa rehefa manana ny finoana, na ny hafa aza afaka mangataka amin’Andriamanitra izay mahasoa ny tena ; ary toetra io tokony hananantsika, dia ilay toetra mahay mangata-bavaka amin’ny hafa. Eo koa ny hoe mivavaka ho an’ny hafa. Koa ny finoana àry no manova ny fiainantsika. Ny finoana no mampifandray antsika amin’Andriamanitra. Noporofoin’ity Kapiteny ity ny fananany finoana tamin’ny fanehoany ny maha miaramila azy : mandray baiko sy manome baiko. Koa raha tahiny tiantsika ny handresy lahatra an’Andriamanitra dia ny finoana aloha no tokony hananantsika : finoana lalina mahaova ny fiainana. Eo koa ny fanetren-tena ka manaja ny hafa toy fanajan’ity kapiteny ity ny finoana jody sy ny fametrahany an'i Jesoa Ilay afa-mamonjy amin’ny sarotra sy ny manahirana. Rehefa tafaverina tany an-tranon’ilay kapiteny ireo iraka dia nahita fa sitrana ilay ankizilahy narary. Koa alalino hatrany àry ny finoantsika ary aoka mba hiainana sy aseho mandrakariva eo amin’ny fiainantsika andavan’andro. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...