Alahady 12 septambra 2021 — Alahady fahefatra amby roapolo mandavantaona — Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 27-35

Hiditra amin’ny faritra atao hoe Sezarean'i Filipo i Jesoa sy ny mpianany ary eny an-dalana no hitsapan'i Jesoa ny halalin’ny fahalalan’ny mpianatra. Adidin’ny Mpampianatra ny manadina ny mpianatra na azony ny lesona nampitaina taminy na tsia. Toraka izany koa i Jesoa eto, manadina ny mpianany ny fahafantaran’ny olona Azy, araka ny volazan’ny olona manao hoe i Joany Batista, i Elia mpaminany, ny anakiray amin’ny mpaminany. Ny fahafantarana an'i Jesoa dia midika ny fahalalinan’ny finoana. I Piera no nanome valim-panotaniana marina araka ny fiekem-pinoana nambarany manao hoe "Ianao no Kristy"; ao ambadik'izany ny hoe "Ianao no Ilay Voahosotr’Andriamanitra", Ilay hamonjy an’Israely, Ilay hamarana ny tantara ka handavorary ny fiainan’ny olombelona.

Mbola noraran'i Jesoa tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza anefa ny mpianany. Eo ny antony mbola tsy fahampian’ny finoana raha tsy mitsangan-ko velona tanteraka Izy. Porofon’izany ny tsy mbola fahampian’ny finoan’ny mpianatra izany ny nitondran'i Piera Azy hitanila sy nitenenany mafy Azy na dia efa nambarany mazava aza ny lalana tsy maintsy hizorany : hosamborina, hampijaliana, ho vonoina fa hitsangan-ko velona afaka hateloana. Io no lalana nofidin'i Jesoa hizorana araka ny hevitr’Andriamanitra. Sarotra ho an’ny sain’ny mpianatra anefa ny hanaiky raha ny mpampianatra azy no hizotra amin’izany làlan’ny fampijaliana sy ny fahafatesana izany. Izy Ilay nanao fahagagana maro, nanasitrana ny marary, nandroaka ny Demony, nanome sakafo ho an’ny olona maro tany an’efitra, ary indrindra Ilay Mesia andrandraina hanafaka an’Israely eo ambany vohohon’ny Rômana satria hitan’ireto mpianatra ao Aminy Ilay endriky ny Mesia hamonjy an’Israely.

Toa an-dry Piera sy ireo namany, ilaintsika ny mandalina ny finoana. Firifiry tokoa moa ireo mandao ny Fiangonana noho ny tsy fananana finoana lalina. Iza tokoa moa no loharanon’ny finoantsika ? Tsy iza fa i Jesoa nitsangan-ko velona. Izany fampianarana izany no nampitain’ny Apôstôly tamintsika ao amin’ny Fiangonana. Rehefa niainan’ireo Apôstôly fa tena nitsangan-ko velona tokoa i Kristy dia izy ireo no tonga vato namelan-kafatra amin’ny finoana marina. Mbola fakam-panahy apetrak'i Satana eo anoloantsika ny hampivily antsika tsy hanaraka io finoana marina io. Iza tokoa moa i Kristy amintsika ? Sao mbola Ilay Kristy ataontsika hamaly izay hetahetam-pontsika fotsiny ka rehefa tsy mifanaraka amin’izay heverintsika dia hilaozantsika, avela any. Ao amin'i Kristy no miorina ny fiainantsika, ao Aminy no hiafarantsika. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...