Sabotsy 11 septambra 2021 — Herinandro fahatelo amby roapolo mandavantaona — Velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 43-49

Ry kristianina havana, rahefa avy nihaino ity Evanjely ity isika dia te hanontany hoe : "Inona ry Jesoa, no tianao hampitaina aminay satria ianao miteny amin’ny fanoharana, ka ny fampianarana ataonao amin’ny fanoharana dia misy fampianarana lalina tianao hampitaina ?"

Voalohany àry, i Jesoa dia mitodika amintsika mpitarika misy sokajiny maro izany : mpanabe, mpampianatra, mpitondra amin’ny sehatra maro samihafa, ray aman-dreny. Fanoharana nataon’i Jesoa hoe : "Moa ny jamba mahatari-dalana ny jamba va ? Moa tsy hiara-mianjera any an-kady va izy roa ?" Miverimberina ny teny "maso", miverina in-6, mba hazava ny zavatra iray dia averimberina. Mifantoka amin’io ny fampianaran’i Jesoa. Ho an’ny olona manana olana amin’ny fahitana dia matetika mametraka solomaso. Rahefa tena tsy mahita na tena jamba, tsy vitan’ny solomaso dia tena mila mpitarika izy. Mba ho afaka mitarika tsara dia mila mpitarika mahita tsara. Tsy afaka hifampitarika mihitsy ny samy jamba, raha tsy izany hiara-mianjera any an-kady, hoy i Jesoa. Ny fananana maso tsara dia ahafahana manavaka tsara ny loko samihafa no afaka mahita tsara ny hakanton’ny tontolo rehetra. Fahasoavana manokana ny fananana maso mahita tsara.

Noho izany àry, i Jesoa dia te hanamafy amintsika mpitarika fa izy ireo dia olona azo ianteherana, azo antoka fa tsy hamitaka, olona mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. Any amin’ireny ivon-toerana fanabezana ny jamba ireny dia tena manana anjara andraikitra lehibe ny mpitarika. Rahefa manazatra lalana azy ireo ny mpitarika dia izay nampianarina sy nampahafantarina azy ireo ihany no fantany. Tsy hahalala zavatra ankoatra izay izy. Marina ny tenin’i Jesoa hoe : ny mpianatra tsy ambony noho ny mpampianatra azy. Tena tompon’andraikitra amin’ny fivoarana, fahalalana an’izay taritina àry, ny mpitarika rehetra. Raha manana mpitari-dalana azo antoka dia ho tonga any amin’ny tanjona tratrarina. Izay ilay fomba fitenintsika hoe : izay manoro lala-mahitsy mamindra aina. Izany no mahasarobidy, maha masina ny andraikitry ny mpitarika rehetra ka tsy azo atao kinanga.

Faharoa, te hampandinin-tena antsika i Jesoa, amin’ny fiaraha-monina iainantsika, mahakasika indrindra ireo izay mametraka ny tenany ho ambony noho ny hafa, tsy afaka amin’izany ny mpitarika rehetra. Matetika mantsy amin’ny ambaratonga misy eo amin’ny fiaraha-monina dia izy ireo no ray aman-dreny, afaka manitsy sy mananatra avy hatrany izay eo ambany fitarihany. Fa matetika dia manadino mitodika amin’ny tenany izy fa variana mitsara ny hafa. Io ilay lazain’i Jesoa hoe : "Nahoana no ny sombim-bozaka amin’ny mason’ny rahalahinao jerenao, nefa ny sakamandimby ao amin’ny masona tsy hitanao ?".

Fahatelo, mba tsy ho mpihatsaravelatsihy isika, dia isika mpitarika mihitsy aloha no tsy maintsy mibebaka voalohany. Izay ilay fitenintsika hoe ny atao mahatarika fa tsy kabary tsara lahatra fotsiny, na sanatria mpitari-bato vilam-bava. Tsy afaka ho tena mpitarika tena izy isika raha tsy manana maso tsara. Mety ho ditsoka io ka na mpitarika aza dia mila mitsabo mba hahita tsara. I Kristy no mpitarika lavorary indrindra, satria izy ilay nahafoy ny ainy ho antsika mba hahavelona antsika. Izy ilay tonga hampahiratra ny jamba. Izay rehetra ao anatin’ny fahotana dia mitoetra amin’ny fahajambana. Izy no mpitsabo mahay indrindra, mahay mampahiratra ny jamba. Isika dia mpitarika ny jamba fotsiny fa izy dia tena mpitsabo, mampahiratra. Hitondra am-bavaka manokana ireo tompon’andraikitra mpitarika rehetra àry isika, mba hitondra fanamaivanana tokoa ny fisian’izy ireo amin’ny sehatra maro samihafa, ary ho azo tsapain-tanana ny ilana azy ireo.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...