Sabotsy 4 septambra 2021 — Herinandro faharoa amby roapolo mandavantaona — Asehoy ahy, ry Tompo ny lalanao, ary tariho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 1-5

Fampadinihana mahakasika ny sabata sy ny fijerena ny maha olona ataon'i Kristy no aroson'i Masindahy Lioka amintsika eto. Na dia eo aza ny lalana, ny maha olona ihany koa tsy azo atao tsinontsinona satria "ny sabata no natao ho an'ny olona fa tsy ny olona no ho an'ny sabata", hoy i Kristy, ao amin'i Masindahy Marka 2, 23-28, ary amafisiny eto hoe : "Izy no tompon'ny sabata". Koa raha tompon'ny sabata àry izy, dia tsy maintsy mandanjalanja izay fomba hampiharana azy. Tsy natao ho andevon'ny sabata ny olona, ho an'i Kristy, fa ny sabata kosa no tokony hitsinjo ny maha olona : "Tsy novakianareo va izay nataon'i Davida raha noana izy mbamin'izay nanaraka azy, fa niditra tao an-tranon'Andriamanitra izy ka naka ny mofo nalahatra, dia nihinana izany sy nanome izay nanaraka azy koa, nefa tsy misy mahazo mihinana azy afa-tsy ny mpisorona ihany".

Toy ny arofanina ny lalana fa tsy geja akory. Manokatra ny fomba fisainan'ny Farisianina i Kristy mba tsy hikombona na hanaraka ambokony fotsiny ny lalana, fa hijery sy handinika kosa ny maha olona. Noho izany, ny lalana dia natao hamelona fa tsy hamono, ary ny sitrak'Andriamanitra dia ny hahavelona ny olona fa tsy hoe ho faty noana. Ka na dia sabata aza ny andro, tsy maintsy tsinjovina izay hahavelona ny aina. Diniho àry, izay voalazan'i Kristy teo mba hampiharina eny amin'ny fiaraha-monina eny. Tsy hoe mampianatra antsika hanohitra be fahatany izay fitsipika misy izy, fa mampandinika kosa izay mba hitsinjovana ny maha olona ary hanao izay hahavelona azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...