Alatsinainy 16 aogositra 2021 — Herinandro faharoapolo mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, sy hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 19, 16-22

Tovolahy iray mpanankarena no nanatona an’i Jesoa eto, mba hanontany azy ny hahazoany ny fiainana mandrakizay. Namaly azy tamin’ny fampianarana izay hita ao amin’ny bokin’ny Lalana i Jesoa, dia tsy inona fa ny fitiava-namana. Ny fitiava-namana izay asa hitarafana ihany koa ny fitiavantsika an’Andriamanitra. Hoy mantsy i Masindahy Joany izay hoe : "Ataontsika ahoana moa no hitia an’Andriamanitra izay tsy hitan’ny masontsika akory raha ny namantsika izay hitantsika àry tsy tiantsika".

Ny fitiava-namana, izay didy tsy vaovao ho an’ity tovolahy ity satria nolazainy ary fa efa notandremany fony izy mbola kely. Nampian’i Kristy anefa izany, fa raha te ho tonga any amin’ny fahalavorariana dia mila amidy ny fananany ka omena ny mahantra mba hananany rakitra any an-danitra. Tsy vitany anefa izany. Naleon’ity tovolahy ity tokoa, nitazona ny fananany, toy izay nanaiky ny tenin’i Jesoa, izay endriky ny fanantanterahana ny sitrapon’Andriamanitra. Raha te ho lavorary àry isika, dia mila mitia sy manaiky ambonin’ny zavatra rehetra an’izay sitrapon’Andriamanitra izay, eny na dia hamohizana ny vola aman-karena aza. Ity farany izay matetika toa zary lasa sakana lehibe amin’ny fahalavorariana.

Hita tokoa mantsy eto fa ny nahaliana an’ilay tovolahy dia ny fiainana mandrakizay fotsiny, fa tsy Andriamanitra. Arahany ny didy aman-dalana mba tsy hahavery azy, fa ny adinony dia ny tokony hanatanterahana izany am-pitiavana. Mila afoy ny fiainan’ny tany mba hahazoana ny fiainana mandrakizay. Izany hoe tsy tokony ho voafatotry ny zavatra ety an-tany isika.

Jesoa ô, ampio izahay hanaraka Anao, mba ho tonga any amin’ny fahalavorariana ka handova ny fiainana mandrakizay.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...