Zoma 17 janoary 2020 — Herinandro voalohany mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 1-12 — Andriamanitra no nampihavana an'izao tontolo izao indray tamin'ny alalan'i Kristy sy ny nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika.

0 : 00

Fahasitranana roa sosona no azon'ity lehilahy malemy ity teo anatrehan'i Jesoa. Ny voalohany dia ny fahasitranan'ny vatana: olona malemy nobatain'olona efa-dahy tamin'ny fandriany no nentina teo anatrehany; lehilahy matanjaka afa-mitsangana, mahabata ny fandriany no niala teo. Ny faharoa dia ny fahasitranan'ny fanahy: olona voavela heloka no niala teo anatrehan'i Jesoa.

Na tamin'ny fomba ahoana, na tamin'ny fomba ahoana dia niezaka ny olona nanatona an'i Jesoa, ary tsy nisy nahasakana ny nitondrana ity lehilahy malemy ity teo anatrehany. Midika izany fa ny olona rehetra no mila an'i Jesoa mba hovoavonjy. Ny fifanampiana no ilaina amin'io asa famonjena io. Deraina etoana ireo olona efa-dahy nitondra an'ity marary malemy ity, ohatra eo amin'ny fandraisana andraikitra amin'ny asa fikatrohana atao ao amin'ny Fiangonana ho an'ireo tompon'andraikitra isan'ambaratongany izany.

Betsaka ireo tsy tonga any am-piangonana, tsy mivavaka, mila ny fampirisihana sy ny fankaherezana, sarotra aminy ny manatona an'Andriamanitra raha tsy entanina sy taomina. I Jesoa dia mamindra fo mandrakariva ho an'ireo manatona, ary mamela heloka, ka mahatonga ireo Mpanora-dalàna sasantsany hihevitra azy ho miteny ratsy an'Andriamanitra.

Izay hita ao amin'i Jesoa dia hita ao amin'ny Ray, toy ny fo mangoraka sy mahatsapa ny fahorian'ny hafa. Tsy hoe ity lehilahy malemy nositranin'i Jesoa ity ihany no mila ny famindram-po sy ny famelan-keloka avy amin'Andriamanitra, fa isika olombelona rehetra izay mila famonjena mba ho olona mijoro, ho afaka hiatrika ny fiainana andavanandro fa tsy hohatanondriky ny fahotana, dia ny fahalemena isan-karazany.

[Miara-dàlana] Zoma 27 desambra 2024

  • Nanolotra fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'ny Noely, ireo Ray aman-dReny eo anivon'ny Fiangonana...
  • Nanao antso avo ho an'ny fandriam-pahalemana any amin'ireo firenena ravan'ny ady ny Papa François, ny alarobia 25 desambra 2024, tao anatin'ny hafatra ho an'ny Noely...
  • Ankoatra ny ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre, dia nanokatra ny Varavarana Masina iray ao amin'ny fonja ao Rebibbia ao Roma ny Ray masina, ny 26 desambra 2024...
Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...