Sabotsy 31 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 1-12

Manampy antsika handinika ny fomba fiainantsika ny finoana maha kristianina antsika ireo karazan’olona aroson’ny Evanjely anio :

I Joany Batista. Ireo vondrona kristianina miezaka ny hiaina ny rariny sy ny hitsiny araka ny Evanjely. Karazana kristianina sahy ny manitsy am-pirahalahiana ny fahadisoanao mba hiovanao amin’ireo toetra tsy mendrika amin’ny maha kristianina. Karazana kristianina te hiaina lalindalina kokoa ny finoany sy ny Evanjely araka ny nampitan’i Jesoa Kristy azy. Mampalahelo ny mahatsapa fa efa mihalany tamingana ity karazana kristianina voalohany ity.

I Heroda mpanjaka. Ireo kristianina finaritra maheno ny fanananarana avy amin’iretsy karazana kristianina eo aloha, saingy tsy miafara amin’ny fibebahana velively akory ny zavatra ataony. Ireo karazana kristianina tsy manana fotoana handinihana mialoha ny handraisany fanapahan-kevitra fa manaraka ny onjam-piainana dia avy eo mora manenina. Izany hoe, ireo kristianina milaza foana hoe : "Eo mahita izy e !". Karazana kristinina matahotra vavam-bahoaka sy matin-kena-maso ka mahavita mandray fanapahan-kevitra tsy vokatry ny fony, satria izany no heverina fa mahafaly ny manodidina ; izay no heverina hahaela fanapahana sy tsy hahatapaka ny sotro fihinanany.

I Herodiada indray, dia ireo karazana kristianina mahay manararaotra ny halemen’ny sasany ary mahavita milalao ny fihetseham-pony mihitsy aza : ireny no atao hoe kristianina mampifilafila. Ireo karazana kristianina te hanalava ny maha tokantrano imaso azy, fa tsy vonona mihitsy ny hiroso amin’ny lalindalina kokoa amin’ny sakramentan’ny fanambadiana kanefa tsy manana sampna velively amin’ny firosoana amin’izany izy roa ; ary loza ho an’izay mikitika an’io fomba fiainany io fa avy hatrany dia tapa-doha sy mandraingiraingy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...