Talata 13 jolay 2021 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 20-24

Nasehon'i Jesoa tamin'ny alalan'ny fahagagana maro isan-karazany, tamin'ireto vahoaka niaina tao Kôrôzaina sy Betsaida, ny fitiavan'Andriamanitra azy ireo, izay fitiavana tsy misy fetra, fa maimaim-poana. Saingy tsy nety nibebaka izy ireo, noho ny hamafisan'ny fony. Hitantsika mazava amin'ity Evanjely ity, fa arakaraka ny hanandratana sy hitiavan'Andriamanitra antsika olombelona, no toa vao mainka mahatonga antsika hiroso any amin'ny fahamafisam-po : tsy te hahalala an'Andriamanitra sy ny fitiavany. Hita taratra tamin'ireo vahoaka ireo ny hamafisan'ny fony.

Maro ny fahasoavan'Andriamanitra, omeny antsika isan'andro, fa isika indraindray no tsy mahatsapa ka toy ny rano atondraka ganagana fotsiny izany fahasoavan'Andriamanitra izany. Toetran'olombelona izay mbola tsy mety ho lefy ny fahamafisam-po, izay toetra isan'ny manakana antsika tsy hahatakatra ny haben'ny fitiavan'Andriamanitra. Ny hamafisan'ny fontsika no mahatonga antsika tsy hankato ny asan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika. Maneho fahagagana mandrakariva eo amin'ny fiainantsika Andriamanitra, fa isika no tsy manokatra ny fontsika hitoerany. Rehefa manaiky itoeran'Andriamanitra isika, dia izy no miasa sy manova ny fiainantsika isan'andro.

Teo amin'ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly nataony, dia nanameloka mandrakariva ny fiavonavonana sy fahamafisam-po, i Kristy, satria ireo no manakana ny olona tsy handray ny hafatra sy ny fampianarana entiny. Raha maneho ny fangorahana sy fitiavana, kosa izy, ho an'ireo olona manetry tena, vonona handray ny fampianarany sy hanolotra ny fijaliany aminy, dia manao fahagagana mandrakariva izy, manova ny fiainantsika. Ny hany angatahan'i Jesoa amintsika, dia ny fahavononana handray isan'andro ny antson'Andriamanitra ho amin'ny fibebahana, ka hahay hanokatra ny fontsika hitoerany sy ho hamasininy.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...