Alatsinainy 12 jolay 2021 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 34 — 11, 1

"Tsy hitondra fiadanana aho, fa hitondra sambatra aza". Izay te hanara-dia an'i Kristy dia hasaina ho vonona handray sy hiaina ny fampianarany. Ny fampianarana entiny anefa dia mety hitondra fifandonana na fisarahana eo amin'ny mpianakavy, satria ao ireo manaiky an'i Jesoa, fa ao koa ireo mandà azy. Ny fanarahan-dia azy mantsy dia fitondrana ny hazofijaliana isan'andro. "Izay tsy mitondra ny hazofijaliany isan'andro dia tsy mendrika ahy", hoy i Jesoa Kristy.

Fanamby lehibe ho antsika kristianina izany fitondrana ny hazofijaliana izany, izay tsy inona fa ny tenantsika ihany : fampandeferana ny sitrapontsika mba hifanaraka hatrany amin'ny sitrapon'Andriamanitra sy izay nampianarin'i Kristy antsika. Antsoina isan'andro àry isika, hamolaka ny tenantsika ka hampandefitra ny hambom-pontsika sy ny fiheverantsika. Tsy hitady izay mahafinaritra tiantsika fotsiny isika. Na ny sitrapontsika, na ny maha isika antsika sy ny fiainantsika manontolo amin'ny maha kristianina antsika dia tsy tokony hampiseho zavatra mifanohitra amin'ny fampianaran'i Kristy. Izay ilay angatahan'i Kristy amintsika hoe : "Izay mahafoy ny ainy noho ny amiko no hahavonjy ny ainy". Ny tanjon'i Kristy dia ny hanolotra antsika ilay fiainana feno fiombonana ao amin'Andriamanitra, ilay fiainana mitondra mankany amin'ny fiadanana maharitra mandrakizay, izany hoe, fanakem-pihavanana hahatonga antsika ho isan'ny fianakaviana iray ao an-tranony. Ka ny fomba handraisantsika izany fiainana feno fiombonana ao amin'Andriamanitra izany dia mety hitarika fifandirana eo amin'ny samy isika, na mety ho eo amin'ny samy fianakaviana aza.

Koa mazava àry, fa ny fandraisana ny fampianarana vaovao nentin'i Kristy dia tokony hisy akony lehibe eo amin'ny fomba fifandraisan'ny olombelona, ka ny fiainana rehetra feno fitiavan-tena mitondra mankany amin'ny fisaraham-bazana eo amin'ny fianakaviana ; mitondra korontana sy ady, dia fiainana tsy mifanaraka amin'ny fampianarany. Satria ny fampianarana nentin'i Kristy dia mampianatra antsika ny didim-pitiavana. Ilay fitiavana tsy miatdy ny ho azy, fa fitiavana mikatsaka mandrakariva ny soa ho an'ny hafa. Koa mangataha àry, amin'Andriamanitra, mba hananantsika fiainana feno finoana, ka hahafahantsika mijoro ho vavolombelona isan'andro, ary ho haintsika ny hampifanaraka izany amin'ny fiainantsika andavanandro sy ny maha isika antsika ary haneho azy amin'ny mpiara-belona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...