Alatsinainy 28 jona 2021 — Herinandro fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 8, 18-22

Ho an’ilay mpanora-dalana, hoy izy tamin’i Jesoa " Hanaraka Anao aho na aiza na aiza alehanao". Valintenin’i Jesoa ho azy ny hoe : "Ny amboa haolo manan-davaka, ny voromanidina manana ny an-kaniny fa ny zanak’olona tsy manana izay ampadriany ny lohany". Ho an ‘ilay olona iray mpianany kosa avy hatrany i Jesoa dia nilza taminy mba hanaraka Azy, saingy mbola niangavy mba handevina ny ray aman-dreniny ity farany. Ilaina ny fanapahan-kevitra matotra rehefa manara-dia an’i Jesoa, ilaina tapahina ny fatorana na ny fomba mahazatra teo aloha.

Samy manana ny fonenany hiarovany ny tenany sy iadanany na ny amboa haolo na ny voromanidina ; fa ny an’i Jesoa kosa, rehefa niala tao amin’ny trano nonenany niaraka tamin’i Maria sy i Josefa, dia lasa nitety tanàna sy vohitra , namakivaky ny lohasaha ,hany ka tsy nanana antom-ponenana toa olona mahantra. Koa izay vonona hanara-dia Azy, tsy maintsy vonona ny hamela ny fahazarana teo aloha, mamela izay heverina hitondra fiadanana mandalo eto an-tany, ny voninahitry ny tany, ka hikatsaka ny tsara kokoa dia ny lanitra sy ny zavatra any ambony, dia izay itoeran’i Kristy. Ho an’ilay mpianatra iray kosa, satria efa mpianatra, efa nanara-dia an’i Jesoa ka nandao izay rehetra ho fanana no nasainy hisaraka amin’ny ray aman-dreniny ; fandaozana lalindalina kokoa satria ny tiana indrindra, ny nahitana masoandro no ilaozana ka tsy hanefana ny adidy farany.

Matoa miantso i Jesoa dia satria mampanantena ny tsara indrindra ary teniny ihany ny hoe izay mahafoy izay ananana noho ny Fanjakan’ny Lanitra dia hahazo zato heny amin’ity fiainana ity ary ny Lanitra izay valisoa tsy hita nonoa. Noho izany, tsy misy faty antoka ho an’izay manara-dia Azy. Ireo toetra vonona hanara-dia Azy na inona na inona hiseho no tena hanehoana ny fiainana maha-kristiana : tsy hifikitra amin’ny efa nahazatra fa ho vonona hiroso amin’ny lalindalina kokoa mba hitondra vokatra eo amin’ny fiainana io maha-kristiana io. Tsy misy ny hahafantatra ny ampitso eo amin’ny fiaianantsika fa apetraka eo am-pelatanan’Andriamanitra izany ; mariky ny fananana finoana izany. Isika no tsy maintsy mijoro ho vavolombelona amin’izany fiainana izany na aiza na aiza misy antsika. Tsy ho very maina ny fanantenana ny fiainana mandrakizay, fiainana santarina eto an-tany ka hiezahana hialana izay rehetra mamatopatotra tsy ahafahana miroso amin’izany ; tsy hiverin-dalana amin’ny finoana efa nekena teo anatrehan’Andriamanitra sy ny Fiangonana. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 mey 2024

♦ Nodimandry teo amin'ny faha-95 taonany i P. Giovanni Follese, antsoina ihany koa hoe Mompera Joany, avy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco... ♦ Manasa antsika rehetra hivavaka ho an'ny fiofanan'ny relijiozy sy ny seminarista, ny Papa François, ao anatin'ny tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity volana mey ity... ♦ Tanjona ho an'ny Antilin'i Madagasikara ny hanana fanabeazana tsaratsara kokoa, izany no antony nanatontosan'izy ireo ny fiofanana tao anatin'ny valo andro, izay nanomboka ny 27 aprily hatramin'ny 5 mey 2024, ho an'ny Diôsezin'i Mahajanga...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...