Alahady 27 jona 2021 — Alahady fahatelo ambin'ny folo mandavantaona — Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao; Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 5, 21-43

Resaka fanasitranana amin’ny aretina izay mihatra aman’aina no ambaran’ny Evanjely eto. Fanasitranana ny zanaka vavin’ny lehiben’ny sinagôga, roa ambin'ny folo taona, narary mafy notandindomin’ny fahafatesana sy vehivavy iray nitsi-dra roa ambin'ny folo taona izay lany haika, nandany ny fananany nitsaboana tena nandeha tamin’ny mpitsabo maro nefa tsy sitrana. Na ilay zaza na ilay ramatoa, samy efa niaritra ny mafy nihatra aman’aina. Soa fa tojo an’i Jesoa ilay loharanon'ny aina sy ny fahasitranana. Rehefa tapi-dalalan-kaleha tokoa, tsy maintsy miantoraka amin’Andriamanitra isika olombelona.

Tsy nanao ny fahafatesana Andriamanitra fa "ny olombelona velona no voninahiny" hoy ny olomasina iray. Ny fialonan’ny demony no nampiditra ny fahafatesana amin’izao tontolo izao araka ny voalazan’ny Bokin’ny Fanhendrena. Ny fahafatesana dia vokatry ny fahotana. Izy mianaka tsy salama ireto anefa tsy hoe mpanota ka iharan’izao aretina izao. Nanam-pinoana tokoa ravehivavy nitsi-dra ka nanao tao am-pony nanao hoe : "Na ny fitafiany ihany aza no ho voakasiko dia ho sitrana aho". Lalina tokoa ny finoana nananany ka sitrana noho ny fikasihany ny fitafian’i Jesoa. Teo amin’ny lalàna jody, ny fikasihana olona heverina ho maloto, noho izy nitsi-dra nandrindra ny fotoana maharitra dia voarara, tsy azo atao. Tsy nahasakana an-dravehivavy tsy hikasika an’i Jesoa izany. I Jesoa raha teo tsy vofetran’ny Lalana rehefa eo anatrehan’ny olona mila famonjena.

Manaraka izany koa, nandray ny tanan’ilay zazavavy sy nampitsangana azy, nitantana azy mba hamindra. Maneho ny maha Tompon’ny aina azy i Jesoa ka mampitsangana sy nitatantana an-drazazavavy. Tandindon’ny Paka izany : I Jesoa maty sy nitsangan-ko velona ; loharanon’ny Sakramenta rehetra ankalazain’ny Fiangonana, fa indrindra tandindon’ny batemy koa izay fahateraham-baovao ; olom-baovao satria velona indray rehefa nandalo ny fahafatesana. Tandindon’ny fiainantsika vita batemy ny nameloman’i Jesoa azy ; nasain’i Jesoa nomena sakafo izy. Ny velona no misakafo ; isika koa izay nofahan’i Jesoa ny Eokaristia, sakafo mahavelona ahazoana ny fiainana mandrakizay. Jesoa àry no manome aina vaovao ho antsika dia Ilay aina noraisiny fony Izy nitsangan-ko velona ampitaina ao amin-tsika amin’ny Batemy. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...