Alatsinainy 21 jona 2021 — Herinandro faharoa ambin'ny folo mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao ary tariho ho amin’ny fahamarinanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 7, 1-5

Mbola mitodika amin’ny mpianany i Jesoa, mampianatra azy ireo sy mananatra azy ireo. Ny fampianaran’i Jesoa dia mifantoka amin’ny fifandraisana amin’ny hafa : aza mitsara. Ho an’i Masindahy Matio ny mitsara dia tonga any amin’ny fanamelohana. Ka ny tian’i Jesoa ampianarina ireto mpianany ireto dia ny tokony mba hananan’izy ireo ny famindram-po amin’ireo izay mety manao hadisoana amin’izy ireo. Tian’i Jesoa koa izy ireo mba hanana fanetren-tena fa tsy hanambony tena miohatra amin’ny hafa fa hahatsiaro mandrakariva fa olombelona koa, izay mety manana ny halemena. Ireto ary misy hevitra telo tsy ahafahantsika mitsara :

Ny fitsarana dia an’Andriamanitra irery ihany. Satria Izy irery ihany no mahalala ny antsimpiriany momba antsika. Izy mihitsy no mampianatra antsika ho tahaka azy amin’ny fangorahana sy famindrana fo. Vao nampianatra teo an-tendrombohitra izy dia nampianatra ny famelan-keloka sy ny ho tia na dia ny fahavalo aza. Izy irery no lavorary, koa raha mitsara ny hafa isika dia maka ny toeran’Andriamanitra.

Araka ny famarana hamaranareo no hamarana ho anareo koa, izay tsy mba namela heloka na namindra fo fa mitsara ny rahalahiny dia tsy mba hahazo famelana araka ny vavaka nampianarin’i Jesoa. Hitantsika ny fanoharana momba ilay mpanompo nangataka indra fo tamin’ny tompony ary nahazo. Indrisy, rehefa nifanena tamin’ny namany mba nananany trosa dia tsy namindra fo, kanjo nisy nitory tany amin’ny tompony izay nataony ka tsy namelan’ny tompony koa raha tsy tany an-tranomaizina.

Isika rehetra dia samy tsy lavorary. Raha mitsara ny hafa isika dia mampiseho fa isika dia marina sy lavorary noho izy ireo, ka mametraka azy ireo ho tsinotsinona. Ary mety mahatonga antsika ho jamba, tsy mahita ny kilemantsika intsony.

Andriamanitra dia fitiavana ka mahalala ny halementsika sy mangoraka antsika ka mamindra fo amintsika isan’andro. Izany koa no tiany ataontsika amin’ny rahalahintsika, dia ny mba hananantsika izany toetra lavorary ao amin’Andriamanitra izany.

Dera ho anao ry Jesoa Tomponay. Hoy ianao taminay : aza manameloka ny hafa dia tsy hohelohina ianao. Sambatra ny mpamindra fo fa hamindrana fo. Sitrano ho fongotra aminay ny fihatsarambelatsihy izay mahita ny sakamandimby amin’ny hafa fa tsy mahita ny an’ny tena. Omeo anay, ry Tompo, ny fomba fijery miabo ka ahitanay ny endrikao amin’ny rahalahinay sy hitiavanay ny hafa tahaka ny nitiavan’ny fonao azy. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...