Talata 15 jona 2021 — Herinandro faharaika ambin'ny folo mandavantaona — Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 43-48

"Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa an'izay mankahala anareo", mitohy ihany ny fampianaran'i Kristy ny mpianany eto mba hanao mihoatra noho izay voalazan'ny lalana. Manafatrafatra mafy izy mba hitiavan'ny mpianany ny namany, indrindra ny fahavalony. Koa na sarotra sy henjana tahaka ny inona àry ny manatanteraka izany, indrindra izany mitia fahavalo izany, dia tsy maintsy tanterahana satria baikon'i Kristy, ary koa te ho zanaky ny Ray any an-danitra. "Raha izay tia anao ihany no tianao, hoy i Kristy, dia tsy misy mihoatra amin'ny ataon'ny Poblikanina ny ataonao", izany hoe, ny fitiavana ireo tsy tia antsika na ny fahavalontsika, dia fanahafana an'Andriamanitra, fandavorariana ny fiainantsika, indrindra ho antsika kristianina.

Hiaretana fijaliana izany, kanefa tsy maninona, fa fiainan'Andriamanitra tahafinao ao aminy. Tsy tian'i Kristy hanahaka ny an'ny Poblikanina sy ny Mpanora-dalana ny fiainantsika, ny fiainan'ny mpianany, satria toa mihatsaravelatsihy fotsiny ireny, hoy izy, fa tiany mba hanahaka azy, mahafoy aina ho an'ny fahavalo, mba hanatratrarana ihany koa ny fahalavorariana takian'ny fitiavana, izay tsy mila tambiny. Koa miantefa amintsika, izay mihaino sy mandinika ny tenin'i Kristy ankehitriny àry, izany hafatra izany. Mety ho maro ireo fahavalontsika, mety ho maro koa ireo namantsika eny amin'ny fiainana andavanandro, nefa i Kristy mampianatra antsika tsy hanao tombo sy ala fa hampitovy fitiavana ny olona rehetra, amin'ny maha kristianina.

[Miara-dàlana] Zoma 19 septambra 2025

• Hotanterahana ao amin'ny kianjan'ny Kolejy Masina Misely Amparibe ny alahady 21 septambra 2025, ny fanamasinana ho Eveka an'i Mompera Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Nankalaza ny fanandratana ny Hazofijaliana Masina ny Diosezin'i Port-Bergé... • Mamelona indray ny fanantenana ny famafana ny ranomaso, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fankalazana ny Jobilin'ny Fanalana Alahelo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...