Sabotsy 12 jona 2021 — Fo Madion'i Maria — Sambatra tokoa ianao, ry Maria Virjiny fa nitahiry ny Tenin'Andriamanitra ianao sy nandinika azy tao am-po — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 41-51

Ry kristianina Havana ! Vao avy nankalaza ny Fo Masin’i Jesoa isika omaly dia mankalaza ny Fo Madion’i Masina Maria androany. Fo roa samy manana ny hanitra ho azy kanefa dia maneho sy manome fahasoavana ho antsika avokoa. Ny an’i Maria moa dia efa voahaja amin’ny maha torontoronina tsy azon-keloka azy ny fony madio. Mandrafitra ny fianakaviana masina na i Jesoa nankalazaintsika omaly ny fony masina na i Masina Maria ankalazaintsika androany ny fony madio. I Masindahy Josefa no nanetry tena tamim-pitiavana nandavorary ny maha fianakaviana masina an’ireo. Hajain’ny Eglizy manokana koa moa i Masindahy Josefa amin’izao taona natokana ho azy izao. Tsy afa-misaraka ireo fa izany no maha fianakaviana ny fianakaviana. Manasongadina ny anjara toeran’ny ray aman-dreny eo amin’ny adidy fiahiana ny zanany moa ity tantara niseho tamin’i Jesoa very hateloana ity ary tsy nisatry fanahy i Maria sy i Josefa nitady azy. Tsy nieritreritra hoe tsy very izany io fa zanak’Andriamanitra fa tena nitebiteby tamin’izay mety hanjo ity Zanak’Andriamanitra nobeazin’izy ireo. Tsy izany ihany anefa fa izay no voasoratra fa maro ny fitaizana nataon’izy ireo ka nahalehibe ity Zanak’Andriamanitra ity. Anisan’izany ny fanazarany an’i Jesoa amin’ny fitiavam-bavaka. Tsy mandeha ho azy izany na zanak’Andriamanitra aza izy fa misy fanabeazana miampita. Hoy isika omaly hoe i Jesoa no Paka vaovao ho antsika fa tsy tonga tamin’izany izy raha tsy teo ny fanazaran’ny ray aman-dreniny azy tamin’ireo fomba amam-panao Jody nahatonga azy ho zatra sy tia mivavaka. Zava-dehibe noho izany ny fahazarana rantovin’ny zaza avy ao amin’ny ankohonana nipoirany, koa aoka tsy hataon’ireo ray aman-dreny antandrevaka ny hoavin-janany fa hikelezany aina mandrakariva, hitarika azy ireo amin’ny lala-marina sy mahitsy.

Na inona na inona anefa zava-miseho dia nandray izany am-pitiavana sy tao am-pony i Maria arahin’ny fandinihany izany ka ampifanarahany amin’ny voalazan’ny tantaram-pamonjena. Fantany ny hoavin’ity Zanany ity ka niezaka mandrakariva izy nifantoka tamin’izany tao am-pony. Eo koa ny maha fon-dreny ny fon-dreny manamafy izany. Hiezaka isika haka tahaka ny Fo Madion’i Maria : hanana fo madio fa izany no hiantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra araka ny fampianaran’i Jesoa tany an-tendrombohitra, handray am-pinoana ihany koa ny zava-mitranga rehetra eo amin’ny fiainana ka handinika izany ao am-po ary tsy hitroatra be fahatany amin’ny tsy misy dikany fa hanankina mandrakariva kosa ny fiainantsika amin’Andriamanitra fa tsy manary antsika Izy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...