Zoma 11 jona 2021 — Ny Fo Masin'i Jesoa — Avia aty amiko ianareo rehetra mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana fa hanamaivana anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 19, 31-37

Ry kristianina Havana ! Mankalaza ny Fo Masin’i Jesoa ny Eglizy androany. Ny fo izay ivon’ny fiainan’ny olona iray ary fototra mahavelona na mahafaty ny ain’ny olona iray. Ny fon’i Jesoa anefa dia mipololotra fitiavana ho antsika vokatry ny fanekeny ny sitrapon’ny Ray hamonjy antsika ka natolony ho trobarana ny lefona hanaporofoana izany fara-fitiavana izany. Araka ny zavamisy tamin’ny Paka manko araka ny voalazan’ny Evanjely teo dia nolefonina ny fon’i Jesoa mba hanafainganana ny fahafatesany satria tsy mety raha misy faty mihantona amin’ny Paka.

Ny fahafatesany teo amin’ny hazofijaliana aloha dia efa manaporofo ny sorona nanolorany ny tenany indray mandeha monja, satria izy no Paka vaovao ho antsika, ary ny tenany no zanak’ondry natolotra natao sorona nalatsa-drà, nisolo sy nitondra eo aminy ny fahotantsika, izany hoe noho ny fahotantsika no namantsihana azy tamin’ny hazofijaliana. Efa omena antsika ombieny ombieny fa ny fitambaran’ny fanoloran’i Jesoa ny tenany sy hazofijaliana nahatanteraka izany fanoloran-tena izany no mandavorary ny famonjena antsika.

Ny fon’i Jesoa nolefonina ary namoaka rano sy Rà, famantaran’ny Eglizy velona ary famantaran’ny ràny natolony ho antsika. Famantarana io satria isaky ny manolotra Sorona ny mpisorona iray eo amin’ny lamesa ary isika manatrika dia miaraka misorona amin’izay mpanolotra eo dia mamelona ny Eglizy. Io fanolorantsika Sorona isan’andro io dia singa mamelona ny Eglizy satria manavao ny fanekena miaraka amin’ny Kristy isika. Io no fanekena Vaovao ka sady fanehoam-pitiavana no famelan-keloka. Didiny rahateo ho antsika ny hanavao izany isan’andro amin’ny Eokaristia ho fahatsiarovana azy ka io rano sy Rà io no famantarana io fanekena vaovao io ary manavao ny Eglizy hatrany. Maro ny fampianarana sy ny vavaka ary fanentanana entin’ny Eglizy manampy antsika hifantoka amin’io Fo Masina io izay mitondra fahasoavana maro ho antsika raha tsy hiresaka afa-tsy izay fanavaozana ny Eglizy izay fotsiny isika. Isika rahateo moa dia singa maha Eglizy ny Eglizy. Volan’ny Fo Masin’i Jesoa rahateo koa ity volana jona ity, dia manasa antsika haneo fitiavana sy fanajana ny Fo Masin’i Jesoa fa manampy antsika hanatona bebe kokoa an’Andriamanitra izany.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...