Talata 08 jona 2021 — Masindahy Jacques Berthieu — Sambatra ianareo raha tevatevaina noho ny amin’i Kristy fa mitoetra ao aminareo ny Fanahin’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 18-21

Ry Kristianina Havana ! Mankalaza an’i Masindahy Jacques Berthieu ny Eglizy androany, indrindra isika eto Madagasikara izay anisan’ny tena nampisongadina ity olomasina ity. Tsy hamerina hampahatsiahy ny tantarany eto akory isika fa haka aim-panahy kosa avy amin’ny Tenin’Andriamanitra ho an’izany fahatsiarovana lehibe izany. Vao omaly isika nandray ny fampianaran’i Jesoa momba ny hasambarana izay fanombohan’ny fampianarany araka an’i Masindahy Matio dia indro fa mifanandrify amin’izany tokoa ny niainan’i Mompera Jacques Berthieu izany fampianarana izany ka nahatonga azy amin’izao laharana maha olomasina izao. Tsy mba faniriantsika ve ny ho tahaka izany ?

Tenin’i Jesoa tamin’ny fampianarana omaly tamin’ny hasambarana valo ny hoe sambatra ianareo raha enjehina sy ampangaina noho ny amiko fa anareo ny fanjakan’ny lanitra. Izany tokoa no niainan’ny olomasina maro be martiry toa an-dry Mompera Jacques Berthieu, satria dia tsy nijanona teo amin’ny fankahalana sy fanenjehana fotsiny ilay fijoroan’izy ireo ho vavolombelona mitory amin’ny fiainany ny anaran’i Jesoa maty fa nitsangan-ko velona fa nihantra aman’aina mihitsy ka nandatsahan’izy ireo ny ràny, izay lasa toy ny zezika nahalonaka ny tany ka mampiroborobo ny finoana mandraka ankehitriny. Ny fitondrantsika ny anaran’i Jesoa, izay mahatonga an’izao tontolo izao hankahala antsika anefa dia fahasoavana noraintsika tamin’ny batemy ary manavaka antsika amin’izao tontolo izao. Miaina ao anatin’izao tontolo izao isika ary tsy afa-miala ao, fa tsy olon’izao tontolo izao kosa, koa aoka isika hatoky mandrakariva an’i Kristy efa nitsangan-ko velona, ampian’ny fahasoavan’ny Fanahy Masina vao noraisintsika tsy ela izay, fa izy nitsangan-ko velona dia efa nandresy an’izao tontolo izao. Tsy foana akory ny fanenjehana na mivantana io na an-kolaka, satria efa nambaran’i Kristy tamin’ny Vaovao Mahafaly teo fa izay an’izao tontolo izao dia tiany fa izay tsy azy dia halany. Koa matokia an’i Kristy nanangana antsika ho zanak’Andriamanitra isika fa eo amintsika mandrakariva izy miaro sy mankahery antsika. Enga anie i Masindahy Jacques Berthieu hivavaka ho antsika mba tsy hatahotra isika manoloana izay rehetra mety ho sakantsakana amin’ny firosoantsika amin’ny finoantsika sy ny fijoroantsika ho vavolombelona. Masindahy Jacques Berthieu, mivavaha ho anay.

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...