Sabotsy 22 mey 2021 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Hirahiko ho eo aminareo ny Fanahin’ny Fahamarinana, hoy ny Tompo; Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 21, 20-25

Tohin’ny Evanjely henontsika omaly izy ity, izany hoe taorian’i Jesoa niara-nisakafo tamin’ny mpianany, taorian’ny fitsanganan-ko velona. Rehefa avy nanontanian’i Jesoa i Simona Piera ny amin’ny fitiavany azy sy nolazainy hoe : manaraha Ahy, dia i Piera kosa no nahita ilay mpianatra malalan’i Jesoa, i Joany io, ka nanontaniany an’i Jesoa hoe: "Tompoko, mba inona kosa no ho anjaran’ity?" Dia novalian’i Jesoa hoe: "Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, mampaninona anao izany? Fa manaraha Ahy ianao." Tsara dia tsara ny fitsinjovana ny hafa fa tsy mety ny fanankinana ny antson’ny tena amin’ny hafa; izany hoe noho ny hafa no anaovan-javatra ka raha tsy eo izy dia tsy manao na inona na inona fa aoka hiantehitra avy hatrany amin’Izy Andriamanitra niantso. Ny hafa mantsy natao hanampy fa tsy ianteherana izany. Ny loza mantsy sao miantehitra amin’ny hazo boboka ka mora hidaraboka. Tsy voatery ho amin’ny antso maha pretra sy relijiozy ihany anefa izany, satria tsy izany ihany ny antso fa eo koa ny andraikitra raisina any am-piangonana, ohatra, sy amin’ireo sehatra maro lafy, eny hatrany an’ivon’ny fiaraha-monina any. Aza ny fahatahorana an-dranona sy ranona no anaovan-javatra, aza ny fahatahorana mpitandro filaminana no ametahana aro vava orona amin’izao valan’aretina izao fa aoka hahatsapa tena ho miaro tena sy ny manodidina isika amin’ny fanaovana izany. Koa samy antsoina isika rehetra, samy itenenan’i Jesoa hoe: "Manaraha Ahy ianao" Koa aza manaraka olon-kafa fa Izy, aza mitady hafa intsony fa ampy sy tena feno Izy.

Ankoantra izany, aza avadika ny tenin’Andriamanitra, toy ny hita tamin’ny Evanjely teo: "Niely tamin’ny rahalahy fa hoe tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa i Jesoa tsy nilaza hoe tsy ho faty izy, fa hoe: Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, mampaninona anao izany?" Misy manely tsaho kanefa ireny no tena mora miely sy raisin’olona avy hatrany noho ny tena izy. Misy indray mamadika ny tenin’Andriamanitra ho an’ny tombontsoan’ny tenany fotsiny ihany ka izay mivandendaka sy marivo salosana mora lasany any. Ny tenin’Andriamanitra tsarovy fa tsy natao hitifirana an-dranona na ranona na hanaratsiana izatsy sy zaroa ka tsara mieritreritra ny manao ireny fa toy ny sabatra roa lela izy ka natao hampibebaka sy hamohafoha ny finoana mba hifikirana hatrany amin’Andriamanitra ka hahazoana famonjena. Koa aoka ny marina no ho lazaina, ny fampianaran’ny Eglizy no raisina fa tsy izay lazaina eny an-joron-dalana rehetra eny, na koa izay azo tamin’ny nofinofy na izay nanasana ati-doha antsika tany. Tsy mety araka izany ny mamadibadika na manodikodina azy fa izay mamadibadika no ho vizana na izay mihodikodina ihany no fanina, ka tandremo. Fa i Jesoa raha nitory teny tsy hisintona olona ho any aminy fa ho any amin’ny Ray iombonana, nanatontosany ny iraka nampanaovina Azy.

Izao koa: tsy ny antsipiriany amin’izay nataon’i Jesoa no voalaza ao fa ampahany ihany ireo. Noho izany tsy ampy ny mihanina fotsiny amin’izay voalazan’ny tenin’Andriamanitra fa manampy antsika ny Lovan-tsofina masina sy ny fampianaran’ny Eglizy efa nifandovana hatramin’izay. Koa aza mihinana am-bolony. Alao hery àry. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...