Alakamisy 20 mey 2021 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 20-26

Tapany farany amin’ny vavak’i Jesoa Mpisorom-be mandrakizay ny Evanjely henontsika teo. Manomboka amin’ny vavaka ho antsika sahady, manao hoe: "Tsy ho azy ireto ihany no angatahako, fa ho an’izay hino Ahy noho ny teniny koa". Tanjona amin’izany ny haha iray antsika, izany hoe ny hampifankatia antsika rehetra (Jo 13, 34-35) Satria "Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra, mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na Jentily, na mpanompo na tsy mpanompo ; ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra." (1Kor 12, 13) "Ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, barbarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra" (Kol 3, 11) Indrisy anefa fa hatramin’izao isika no mbola mifanao ankolafy na ara-pirazanana na ara-bolon-koditra, na fari-pananana na fari-pahaizana, na finoana na politika, sy ny maro hafa koa. Ny mpiray tampo aza moa tonga misy mifandrafy ka lasa tsy mifampiditra an-trano fa mifamono sy mifanenjika, tonga hatramin’ny tsy mifandevi-maty, anga tsy loza ! Antony : noho ny resaka vola na fananana na fialonana na fankahalana na hambom-po diso toerana na haratsian-toetra fotsiny izao. Diso manindraindra ny azy ihany, fa ankoatra izay tsy te hahalala, toa vao mainka miha-manalavitra ny tanjona tian’i Jesoa ho antsika dia ny fiombonana tanteraka. Aza omena hirika ilay raiben’ny fialonana sy fankahalana ka mampisaraka sy mampizarazara, dia i Satana. Koa aoka isika tsy ho isan’ny mpampisaraka fa ho mpampiombona, tsy ho mpanaparitaka fa ho mpampiray, tsy ho Coronavirus mampihiboka ka mpandripaka sy mpamono ary tsy mitsitsy, fa ho olon’ny fihavanana sy ny fifankatiavana.

Mazava ny tohin’ny vavak’i Jesoa eto : "Tahaka Anao, Ray, ato amiko, ary Izaho ao aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy." Tsy fiombonana amin’ny maha olona fotsiny fa toy ny fiombonan’ny Olona ao amin’ny Trinite Masina. Manampy antsika amin’izany ny efa nanomezan’i Jesoa antsika ny voninahitra nomen’Izy Rainy Azy. Tsy nokoboniny ho Azy irery fa nozarainy sy navelany tamintsika. Izay tsy mahay mandray izany no tsy tia fiombonana sy lavitry ny fifankatiavana. Hoy Izy : "Efa nomeko azy ny voninahitra nomenao Ahy, mba ho iray izy tahaka ny maha-iray Antsika : Izaho moa ao aminy, Ianao kosa ato amiko, mba ho tena iray tokoa izy ireo, ka ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy". Tena irak’Andriamanitra tokoa i Jesoa ka tsy tokony hisalasala isika na hitady olon-kafa indray fa hino izany tanteraka.

Ary rehefa misantatra izany fiombonana izany dieny ety an-tany isika dia ho tody any amin’ilay fiainan-tsambatra mandrakizay araka ny fanirian’i Jesoa hoe : "Tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy", izany hoe, tiany hitohy mandrakizay izay fiombonana izay ka hiaraka aminy hatrany an-danitra, tiany hiombon-dova aminy isika mba hahita ny voninahitra nomena Azy, araka ilay vavaka nataony. Jereo anie : inona moa isika olombelona fa sady mpanota no mpanevateva Azy ary tsy manaraka ny didiny, kanefa anehoany fitiavana hatrany, indrindra moa raha mibebaka amin’izany fahazaran-dratsintsika izany. Tsy foiny isika fa tiany hiaraka aminy eny foana. Isika foana no malailay fonosana toa fary, saro-tiavina toa landy mohaka, mpanatsikobana toa fandoto rano. Mbola ao anatin’ny fankalazana ny Paka isika ka aoka handresy ny ratsy mandrakariva, aza mora milofika fa eo ny fitiavan’Andriamanitra sy ny indrafony miandry antsika mandrakariva. Toy ny maha fo iray ny ao anatintsika no aoka haha iray antsika rehetra dieny ety an-tany ka hatrany an-danitra. Ho tanteraka amintsika anie izany. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...