Talata 18 mey 2021 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mangataka amin’ny Ray Aho, hoy ny Tompo, ka homeny Mpanafaka alahelo hafa ianareo, izay ho eo aminareo mandrakariva — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 1-11

Amin’ity andro ity vao naroso ho antsika ny tapany voalohany amin’ny vavak’i Jesoa Mpisorom-be mandrakizay. "Tonga ny fotoana", hoy Izy, ka mangorohoro ny fony, mitebiteby ny fanahiny. Fotoana iatrehany ny zava-tsarotra sy manahirana indrindra amin’ny iraka nampanaovina Azy izany. Vavaka no nipololotra avy ao am-pony. Fa isika rehefa tojo zava-tsarotra sy manahirana inona re no ataontsika ? Mbola mahavita mivavaka sa ahoana ? Tandremo sao manao ohatran’ny an’ny sasany : vitany hatramin’ny manome tsiny an’Andriamanitra ! Zava-doza anefa izany. Tsarovy fa fandraisantsika anjara amin’ny fijalian’i Kristy izany. Ary hatramin’izao dia mbola manana fahefana amin’ny nofo rehetra Izy mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomen’ny Ray Azy. Tsy tiany hisy ho very mantsy isika na iray aza fa tiany handova ny fiainana mandrakizay. Fa inona marina àry ity fiainana mandrakizay lazainy ity ? Izy ihany no mamaly izany : Ny fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Azy Ray, hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahiny. Tia eto ny hoe mahalala. Misy mantsy mampisaraka ireo Olona telo ao amin’Andriamanitra tokana. Fahadisoan-kevitra be vava anefa izany. Koa tsy mety ny manao zinona na tsinontsinona ny Iray amin’ireo Olona telo ireo. Koa tsy inona akory fa fiombonam-piainana tanteraka amin’ny Trinite Masina izany ny fiainana mandrakizay. Tia antsika Izy ka miezaka mamaly fitia Azy isika, araka izay mety ho tratrantsika. Santarina dieny ety an-tany izany.

Ka tsara hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra mandrakariva ny asa ataontsika ety an-tany. Koa hihena ny fahotana ataontsika, raha izay fotsiny ihany aza no tadidintsika, satria tsy amin’ny fahotana akory isika no manome voninahitra an’Andriamanitra ? Koa modely ho antsika i Jesoa amin’izany, araka ny vavaka ataony eto. Tanterany soa aman-tsara ny asa nampanaovina sy nanirahana Azy. Mila manao toy izany koa isika fa tsy manao alasafay na zara raha vita, na vonjy tavan’andro ny asa fanaontsika.

Misy indray tsy mahatanteraka hatramin’ny farany fa variana manombo-javatra foana, hany ka lany andro amin’izany satria mifindrafindra zavatra atao. Tsy mety ny hoe : tsobo-dranon-dRamiangaly ka raha marivo irobohana fa hihemorana kosa raha lalina ! Tadidio mandrakariva fa aoka ho ny fiainana mandrakizay miombona amin’Andriamanitra no ho faran’ny fiainana fa tsy sanatria ny mifanohitra amin’izany.

Isan’ny asa nataon’i Jesoa tety an-tany ny nitory ny Anaran’ny Ray tamin’ny olona. Fantany marina fa avy aminy Izy, ary ninoany tokoa fa ny Ray no naniraka Azy. Manana anjara amin’izany koa isika fa izany no takiana amin’izay vita Batemy. Koa aza mialangalana na varimbariana. Koa amin’izao fotoana iomanana amin’ny Pantekoty izao, manao ahoana ny vavaka ataontsika ? Mila ny herin’ny Fanahy isika hampitombona tsara izany vavaka izany, ka tsy hikendry afa-tsy ny fanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’izay ataontsika rehetra mba hahazoantsika ny fiainana mandrakizay ao ambadik’izao misy antsika izao rehefa mifarana ny diantsika ety. Ho to amintsika anie izany. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...