Alatsinainy 17 mey 2021 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 29-33

Resaka nifanaovan’ireo mpianatr’i Jesoa taminy talohan’ny nahafatesany ny Evanjely naroso tamintsika teo. Amin’izany, manafatrafatra i Jesoa alohan’ny hisarahany tamin’ireo mpianany, fa ry zareo kosa amin’izany toa mitady ho very hevitra sy halahelo fa tsy hahita ny Tompony, hany ka loa-bolana ry zareo, miaiky fa mahalala ny zavatra rehetra i Jesoa, mino fa avy amin’Andriamanitra Izy. Efa aman-taonany niarahana izy ireo vao tonga amin’izany ny mpianany. Finoana tsy tena mbola latsa-paka aza satria rehefa atsy aoriana kely, amin’ny nanenjehana sy nampijaliana Azy Tompony dia niely, niparitaka, ka samy nandeha ho any amin’izay halehany avy ry zareo mpianany, sy nandao Azy ho irery, araka ny voalazan’i Jesoa eto. Marihina fa tsy mbola tonga saina tamin’izany ihany izy ireo na efa nambara mialoha azy ireo aza izany zavatra izany, fa toa ohatran’ny donto ny fony, jambena ny masony, fohy ny fisainany ! Ny an’ireo mpianany aza moa toy izany, fa ny antsika toa manoatra lavitra noho izany. Diniho anie : firy taona niarahana ny mpivady, efa nisy fifankahalalana an-taonany maro aza ho an’ny sasany talohan’ny mariazy nefa mbola misy ihany aty aoriana ny hoe : "tsy nampoiziko", "hay ve ohatr’izany ianao ity e!" "raha ohatran’izany tsy nanambady anao aho" sy ny sisa ; firy taona niaraha-niasa fa misy mitovitovy amin’izany koa ! Ilaina hatrany ny mifankafantatra tsara ka ireny toa tsy nampoizina ireny tsy atao sakana tsy hirosoana fa natao hery manosika hiakatra sy hiroso hatrany. Fa toy ny lala-malama sy miakatra ny fiainana ka raha tafaray samy malama tsy misy hamikirana fa hitambotsitra hiverina. Ny an’ny sasany izany tonga dia tapaka tarangana avy hatrany fa lasa samy manana ny lohany hoe ! Ny an’i Jesoa eto amin’ny Evanjely, na dia izany aza ny toetran’ny mpianany, tsy nampaninona Azy akory fa nankahereziny hatrany sy nanehoany fitiavana hatrany.

Manaraka izany, efa tena fanaontsika ihany koa ity mitsoaka rehefa misy zava-manahirana ity, tsy te hiray petsapetsa, tsy te ho tratra farany, tsy te hiray tendro, tsy te ho voasaringotra, hany ka mamela ho irery. Ny an’i Jesoa aloha eto tsy irery Izy fa ao aminy ny Ray, manao ny asan’ny Rainy mandrakariva Izy. Andriamanitra tsy mba mandao izany, fa isika no zatra mitsoaka sy miala ary mihataka aminy. Kisarisarin’izany i Jesoa Kristy tavela irery ao am-piangonana, ao amin’ny tabernakla, rehefa samy lasa isika mamonjy ny asa aman-draharahantsika. Tsy irery anefa Izy. Koa eo anatrehan’izao valan’aretina mihanaka be izao dia eo anivontsika Izy, miara-mijaly amintsika, iray petsapetsa, iray donak’afo amintsika, afa-tsy amin’ny fahotana. Fantany, tsapany ny manjo antsika ; fa mila miharitra isika mba handresy miaraka aminy, mila mandalo zoma masina mialohan’ny Paka. Tsy moramora mantsy ny mahazo ny fiadanana entiny. Mazava eto ny amaranany ny Evanjely : "Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao ; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho." Efa niharitra ny mafy Izy, nandalo hatramin’ny fahafatesana ; saingy efa nandresy ka nitsangan-ko velona, ary mbola hankalazaintsika izany izao. Io teniny io no hery entintsika miatrika ny mafy manjo antsika izao. Koa aza miferinaina intsony ! Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 17 mey 2024

♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...