Alahady 2 mey 2021 — Alahady fahadimy fankalazana ny Paka — Mitomoera ao amiko, dia hitoetra ao aminareo Aho, hoy ny Tompo; izay mitoetra ao amiko no mamoa be — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8

Teo anatrehan’ny mpianany i Jesoa no nanambara ny tenany fa izy no foto-boaloboka. Araka izany dia mahakasika ny voaloboka no hitondrany fampianarana ho antsika androany. Mazava ny hafatra tiany hampitaina ka andeha àry ho fakafakaintsika sy ho raisintsika am-pinoana izany. I Jesoa no foto-boaloboka ary Andriamanitra Ray no mpamboly ary ny Apostoly na isika no sampana.

Raha tsiahivina aloha, araka ny Soratra Masina dia ny vahoaka Israely no nantsoina hoe tanim-boaloboka fahiny. Ny tena marina anefa dia tsy namokatra voaloboka araka ny nandrasan’Andriamanitra azy io tanim-boaloboka io. Izany hoe nanankinan’Andriamanitra ny fanantenany ity vahoaka ity fa indrisy fa vokatra ratsy no nomeny.

Amin’ny fiainan’ny zanak’olombelona dia mifampiankina daholo ny zavatra rehetra indrindra amin’ny zava-misy ambaran’ny Vaovao Mahafaly androany. Ny tena marina dia mifandray sy mifampiankina na ny tany ambolena voaloboka na ny voaloboka ambolena na ny mpamboly. Samy tompon’andraikitra daholo raha te hahazo vokatra tsara sy mahomby.

Andriamanitra tokoa no mpamboly. Aiza moa no hisy mpamboly tsy hiandrandra vokatra tsara sy mahafa-po izany. Amin’ny maha mpamboly an’Andriamanitra dia efa manome ny fahasoavana sy ny fitahiana manokana ary ny tsodrano rehetra izy mba hampitsimoka sy hampidoroboka ny voaloboka ambolena. I Jesoa no tena foto-boaloboka. Izy no misolo tena ny vahoaka Israely. Foto-boaloboka manao ny sitrapon’ilay mpamboly ary manaiky azy am-pitiavana. Isika mpino vita Batemy no sampana. Inona no adidintsika manoloana an’i Kristy foto-boaloboka ? Miray aina aminy : “Ny sampana izay tsy miray amin’ny foto-boaloboka dia tsy mahazo mamoa ho azy”. Mipetraka ary ny fanontaniana hoe : ahoana izany firaisana amin’i Kristy izany ?

Efa navondron’Andriamanitra amin’i Kristy isika ka tsy mahazo misaraka amin’ny fototra. Dia toy ny zava-maniry rehetra tokoa isika, rehefa miala na misitaka amin’ny fototra dia mangetaheta, noana ka tsy ampy sakafo, mitsipozipozy ary tena malazo ara-panahy. Hany ka zara fa velona ary mety ho faty mihitsy. “Izaty mitoetra eo amiko sy hitoerako no mamoa be”. Izany tokoa angamba ilay fomba fitenenana hoe : “Tsy misy hazo tsara mamoa voa ratsy, ary tsy misy hazo ratsy mamoa voa tsara”. Mamoa voa tsara tokoa ve isika ? Raha miray aina sy miombona amin’i Jesoa isika dia ho velona. Meteza àry isika ho rantsànana, izany hoe maneke ho hahitsy, hampiana fa ny zanaka tiana no tsy hitsitsiana rotsakazo. “Ary voninahitra ho an’ny Raiko raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro” hoy i Jesoa. Miandry vokatra amintsika Andriamanitra, ka miezaha isika hamokatra mba tsy handiso fanantenana an’Andriamanitra.

Andeha ianao mankanesa any an-tanimboaloboko, ilazao re, ilazao taon-jina ny mpianatro. Dia homankomano e ny vokatra fa efa antomotra izao ny taona fijinjana ! Amen.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...