Alahady 12 janoary 2020 — Batemin'i Jesoa — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 3, 13-17 — Nisokatra ny lanitra, àry hoy ny feon'Andriamanitra Ray hoe: Ity ny Zanako malalako indrindra, henoy Izy.

0 : 00

Raha nanao batemy ireo olona nitoriny teny i Joany dia indro koa i Jesoa tonga teo mba hatao batemy. Tsy mahagaga raha nandà i Joany hanao batemy azy satria tsy nisy fahotana nataony. Ilay Mahery indray ity no tonga mba hatao batemy eo anivon'ireo olona osa sy malemy vokatry ny fahotana. Nandresy lahatra an'i Joany anefa i Jesoa ka nanaiky ihany izy hanao batemy azy. Niray petsapetsa tamin'ireo mpanota Izy mba hahatanteraka ny famonjena sy ny fahamarinana. Toa mahavariana ny mahita azy milahatra miaraka amin'ireo amin'ireo olona mpanota izay mila fibebahana ka nandray ny batemin'i Joany. Tenin'i Jesoa teo ny hoe: "Ekeo izao fa izao no mety hahatanterahantsika ny fahamarinana rehetra". Ny hoe "fahamarinana" dia tsy inona fa ny fanatanterahana ny sitrapon'Andriamanitra. I Jesoa no mandavorary ny fibebahan'ny olona handray sy hiaina ny Fanjakan'Andriamanitra. Ny batemy naaon'i Joany kosa no fanomanana ny fon'ny olona ho vonona handray izany Fanjakan'Andriamanitra izany. Ho fanatanterahana ny vavaka ataontsika isan'andro manao hoe: "Ho tonga anie ny Fanjakanao ety an-tany tahaka ny any an-danitra" koa izany.

Teo am-panaovana batemy an'i Jesoa, nisokatra ny lanitra ary nisy feo avy any an-danitra nanao hoe: "Ity ny Zanako malalako ankasitrahako indrindra". Ny olona mihaino sy mino an'i Jesoa dia misokatra ho azy ny lanitra. Koa ny batemintsika no mahatonga antsika ho zanak'Andriamanitra, mandova ny fiainana mandrakizay. Tokony ho hita taratra amin'ny fiainantsika andavan'andro ny maha vita batemy antsika sy maha zanak'Andriamanitra antsika. Misokatra ho antsika àry ny lanitra rehefa miezaka manatanteraka ny sitrapon'Andriamanitra isika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...