Sabotsy 17 avrily 2021 — Lucien Botovasoa, Olontsambatra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 17, 11-19

Ny katesizy kely taloha dia nampianatra antsika hanao tsianjery ny hoe : “Iza no nahary anao sy mitahiry anao ?” dia valiana hoe “Andriamanitra no nahary ahy sy mitahiry ahy”. Koa vavak’i Jesoa henontsika teo ny hoe “Ray Masina ô, tahirizo amin’ny Anaranao izay nomenao ahy, mba ho iray tahaka antsika izy”. Ny hery ananantsika ao amin’ny Fiangonana dia ny fiombonana, ny fifankatiavana, ny mifanihintohina sy mifanohatohana. Ao amin’ny fiombonana ao amin’ny Ray sy ny Zanaka no anovozana izany hery izany. Mora simban’ny ratsy isika raha tsy miaraka amin’ny besinimaro. Koa ny fiombonantsika ao amin’ny Fiangonana no antoky famonjena antsika.

Mpiandry mahatoky i Jesoa ao amin’ny Fiangonana : ao Izy no afaka miaro antsika amin’ny ratsy. Nanomboka tamin’ny Batemy dia efa an’i Kristy isika, mitondra ilay marika tsy maty vonoina ao amin’ny fanahy. Koa adidintsika no miaro izany fahamboniana nanandratana antsika izany. Miavaka eo amin’izao tontolo izao isika manara-dia an’i Jesoa. Tsy manaraka ny toe-piainan’izao tontolo izao fa manana fomba fiaina nampianaran’i Kristy toy fifakatiavana, ny fanetren-tena, ny fanompoana, tsy mila voninahitra, olona tia vavaka sns… hany ka tonga halan’izao tontolo izao satria manome tsiny ny fomba fiainany. Izany no nahatonga ireo martiry sy olomasina marobe tonga amin’izany toetra lavorary indrindra izany, rehefa niaritra fanenjehana. Nampiseho sy nanandratra teo amin’ny toe-piainan’izy ireo ny fampianarana ao amin’ny Evanjely. Ny toe-piainana tao amin’i Kristy no nianaran’izy ireo sy niainany isan’andro. Tenin’i Jesoa tamin’ny mpianany ny hoe : “Aoka ho masina inanareo tahaka ny Rainareo any an-danitra”, ho olo-marina mandrakariva.

Fiainan’ny olontsambatra Lucien Botovasoa no ambaran’ny Evanjely eto. Nahazo fampianarana tsara avy amin’ny Evanjely araka ny tenin’i Jesoa manao hoe “Nomeko azy ny Teninao ka halan’izao tontolo izao izy ireo”. Fiainana miavaka sy fakan-tahaka no notovoziny tao amin’ny Evanjely, toy ny fitiavam-bavaka, ny fijoroana amin’ny marina, ny fifkirana amin’ny finoana. Namela ohatra tsara ho tahafintsika teo amin’ny fiainany. Koa isika koa hiezaka ho tonga fahazavana sy ho fanasin’ny tany eo amin’ny seha-piainana misy antiska . Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 oktobra 2025

• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...