Alatsinainy 5 aprily 2021 — Alatsinainy amin'ny havaloan'ny Paka — Ity no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 28, 8-15

Omaly isika nahalala ny fomba nitantaran’i Masindahy Joany Evanjelista ny nitsanganan’ny Tompo. Anio indray, i Masindahy Matio no nitantara ny nitsanganan’i Jesoa tamin’ny maty. Ho hitantsika mandritra ny havaloan’ny Paka ity fa mifantoka amin’ny fitsanganan’i Kristy tamin’ny maty ny Evanjely. Ny Evanjely anio dia ahitantsika ny fizarana roa : ny fisehoan’i Jesoa tamin’ireto vehivavy ny voalohany : Maria avy any Magdala sy ilay Maria iray, izay nandeha koa namangy ny fasana. Ny anjely mihitsy no nanambara tamin’ireto vehivavy, fa tsy ao am-pasana intsony izy fa efa nitsangana ary miandry any Galilea, ka naniraka azy hanambara izany amin’ny mpianany. Teo ny fanambara nataon’ny anjely, fa i Jesoa mihitsy no niseho tamin’izy ireo koa. Niarahaba azy ireo ary naniraka azy ireo hanambara ny Vaovao Mahafaly amin’ireo mpianany. Ny faharoa dia mikasika momba ny fasana foana, ka ny lohandohan’ny mpisorona no nividy ny miaramila ary naniraka azy ireo hijoro vavolombelona tsy marina ka hilaza fa nandritra azy ireo natory dia nangalarin’ny mpianany ny faty.

Nanomboka teo ny fifanoherana nisy teo amin’ny Sinagoga sy ny Fiangonana vao miforona. Hatramin’ny andron’i Jesoa izany no ahitantsika teo amin’ny fiaraha-monina ny fisian’ny zava-mamohetra, ny kolikoly. Ary tsy olon-tsotra fa olona tsongaina eo amin’ny fiaraha-monina. Ny mpiambina ny toerana nisy ny fasana nilevenan’i Jesoa eto no tratran’izany. Hita amin’izany fa ny vola no mibaiko. Tsy ny vola ve no namadihan’i Jodasy an’i Jesoa. Moa tsy ny fitiavam-bola no mahatonga ny fanaraoraotana izay miteraka fifamonoana eo amin’ny samy olombelona. Tsy ny vola no ratsy fa ny fomba fampiasan’ny olombelona azy. Eo anatrehan’izany na eo aza ny fanenjehana sy ny fanoherana, ny Fiangonana kosa dia tsy mitsahatra manambara ny marina, fototry ny finoantsika, dia i Kristy maty sy nitsangan-ko velona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...